MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAO NY MARINA?
Mbola Ilaina ve ny Manao ny Marina?
Mpanao kaonty tao amin’ny orinasa iray mpanao tolotr’asa any Japon i Hitoshi. Nanamarina kaonty niaraka tamin’ny lehibeny izy indray mandeha. Bedy izy satria tokony ho novany kely, hono, ilay tatitra momba ny kaonty. Nilaza anefa i Hitoshi fa tsy mety amin’ny eritreriny izany. Nandrahona ny handroaka azy àry ilay lehibeny, ary tena voaroaka tokoa izy.
Kivy be i Hitoshi taorian’izay hoe mbola hahita asa ihany ve izy. Nitady asa tao amin’ny orinasa iray, ohatra, izy indray mandeha, ka nadinadinina. Nilaza izy fa tsy mety aminy ny manao ny tsy marina. Hoy anefa ilay olona nanadinadina azy: “Hafahafa koa ianao izany!” Nampirisika an’i Hitoshi hanao ny marina foana kosa ny fianakaviany sy ny namany. Nanomboka nisalasala anefa izy, ka nisy fotoana izy niteny hoe: “Tsy haiko raha mbola ilaina ihany ny manao ny marina!”
Hitantsika tamin’izay nanjo an’i Hitoshi fa tsy ny olon-drehetra no tia manao ny marina. Misy aza angamba mieritreritra mihitsy hoe mahafaty antoka izany, indrindra amin’ny resaka varotra. Hoy ny vehivavy iray atsy Afrika Atsimo: “Tsy manao ny marina daholo ny mpiara-miasa amiko, ka sarotra be indraindray ny tsy hanao hoatran-dry zareo.”
Anisan’ny fanaovana ny tsy marina koa ny mandainga, ary izy io no tena be mpanao. Nanao fanadihadiana i Robert Feldman, psikology ao amin’ny Oniversiten’i Massachusetts any Amherst, taona vitsivitsy lasa izay. Hita tamin’izany fa ny 60 isan-jaton’ny olon-dehibe no mandainga, fara fahakeliny indray mandeha, ao anatin’ny resaka ataony mandritra ny folo minitra. Hoy i Feldman: “Gaga be izahay! Tsy nampoizinay hoe lasa fanaon’ny olona ny mandainga.” Mahagaga fa tsy tian’ny olona mihitsy ny hoe handaingana nefa be dia be ny olona mandainga.
Nahoana àry no be dia be ny olona mandainga sy mangalatra ary manao zavatra ratsy hafa? Inona no vokatr’izany eo amin’ny fiaraha-monina? Inona no hanampy antsika hanao ny marina foana?