Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

4 | Misy Torohevitra Mahasoa ao Amin’ny Baiboly

4 | Misy Torohevitra Mahasoa ao Amin’ny Baiboly

HOY NY BAIBOLY: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia ... mahasoa.”​—2 TIMOTY 3:16.

Inona no dikan’izany?

Tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly, nefa misy torohevitra azo ampiharina sy mahasoa ao. Afaka manampy an’izay tratran’ny aretin-tsaina izany. Andao isika handinika ohatra vitsivitsy.

Nahoana izany no manampy?

“Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.”​—MATIO 9:12.

Milaza ny Baiboly fa mety hila fitsaboana isika. Betsaka ny olona voan’ny aretin-tsaina nikaroka fanazavana marina tsara momba ny aretiny, sy nanatona dokotera mahay tsara an’ilay izy. Hitan-dry zareo hoe tena manampy izany.

‘Mahasoa ny manao fanatanjahan-tena.’​—1 TIMOTY 4:8, fanamarihana ambany pejy.

Mety hanana saina salama kokoa ianao, raha zatra manokana fotoana sy hery hanaovana zavatra mahasalama. Anisan’izany ny hoe manao fanatanjahan-tena tsy tapaka, mihinana sakafo mahasalama, ary manao ampy torimaso.

“Fanafody tena mandaitra ny fo falifaly, fa mandany hery kosa ny hakiviana.”​—OHABOLANA 17:22.

Azo inoana hoe ho falifaly foana ianao raha mamaky andinin-teny mampahery sy manana tanjona azo tratrarina tsara. Hahavita hiatrika adin-tsaina sy hifehy fihetseham-po koa ianao, rehefa mifantoka amin’ny zavatra mampahery sy matoky hoe mbola hihatsara ny fiainana.

“Izay manetry tena no hendry.”​—OHABOLANA 11:2.

Mety tsy ho vitanao irery daholo izay tianao hatao. Ekeo àry ny fanampian’ny olon-kafa. Azo inoana hoe te hanampy anao ny namanao sy ny fianakavianao, saingy tsy fantany hoe inona no hatao. Ampahafantaro an-dry zareo àry izay hitanao hoe tena hanampy anao. Aza mitaky be loatra aminy anefa. Ankasitraho foana kosa izay fanampiana omeny.

Ny nanampian’ny torohevitry ny Baiboly an’ireo marary

“Tsapako hoe nisy zavatra tsy netinety tamiko, dia nanatona dokotera aho. Hitany hoe inona ilay aretiko. Nanampy ahy hanaiky ny tena manjo ahy izany, dia lasa haiko hoe inona avy ny fitsaboana azoko isafidianana.”​—Nicole, a miovaova be ny fihetseham-pony. (Trouble Bipolaire)

“Niara-namaky Baiboly foana izahay mivady. Hitako hoe nanampy ahy hieritreritra zavatra tsara sy mampahery izany, isaky ny nanomboka ny andro tsirairay. Matetika koa no nisy andinin-teny nampionona ahy rehefa tena mafy ny nahazo ahy.”​—Peter, kivy be. (Dépression)

“Tsy sahy niresaka momba an’ilay aretiko aho satria nahamenatra be ahy ilay izy. Nisy namako akaiky izay anefa nahazo tsara an’izay nanjo ahy, sady nahay nipetraka teo amin’ny toerako. Tena nanampy ahy hahatsiaro ho maivamaivana izy, sy hahatsapa hoe tsy niady irery aho.”​—Ji-yoo, mbetika mahery misakafo be, mbetika malain-komana. (Trouble de l’alimentation)

“Ny Baiboly no nanampy ahy hahay handanjalanja sy ho ampy torimaso ary tsy hiasa be loatra. Nijaly be koa aho noho ny olana ara-pihetseham-po, dia nanampy ahy ny torohevitra feno fahendrena ao anatin’izy io.”​—Timothy, nanao zavatra niverimberina foana. (TOC)

a Novana ny anarana sasany.