Mampanantena Andriamanitra fa ho Foana ny Aretin-tsaina
Manome tari-dalana sy fampiononana ho an’ny olona tratran’ny aretin-tsaina Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
Tsy izay ihany anefa no ataony. Mampanantena koa izy fa hofoanany tsy hisy intsony mandrakizay ny antony mahatonga ny aretin-tsaina.
Rehefa tanteraka izany, dia ‘tsy hotsaroana intsony sady tsy handreraka fo’ intsony izay nampalahelo ny fontsika, sy ny adin-tsaintsika, ary izay nampijaly antsika taloha.—Isaia 65:17.
Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahalala hoe rahoviana ary ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra an’izany fampanantenana tena tsara izany.