Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA NO MBOLA MISY HATRAMIN’IZAO NY BAIBOLY?

Nahoana no Mbola Misy Hatramin’izao ny Baiboly?

Nahoana no Mbola Misy Hatramin’izao ny Baiboly?

Soa fa mbola misy ny Baiboly, ka afaka manana sy mamaky azy io ianao. Afaka matoky ianao hoe mifanaraka tsara amin’ny sora-tanana tany am-boalohany ny Baiboly vakinao, raha tsara ny fandikan-teny fidinao. * Mahagaga fa mbola misy foana ny Baiboly na dia mora simba aza ny fitaovana nanoratana azy, na dia nisy nitady hamongotra aza izy io, ary na dia nisy nitady hanova aza ny tao anatiny. Nahoana? Inona no mampiavaka an’io boky io?

“Resy lahatra aho izao hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Baiboly”

Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Maro ny mpianatra Baiboly miaiky toy izany. Mino izy ireo hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly ary narovany izy io matoa mbola misy foana. Nianatra Baiboly i Faizal, ilay voaresaka tany aloha, satria te hanadihady izy raha marina izany. Nahagaga azy ny zavatra hitany. Tsy ela dia fantany hoe tsy ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny fampianaran’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Nanohina ny fony koa ny nahalala ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany.

Hoy i Faizal: “Resy lahatra aho izao hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Izy no namorona an’izao rehetra izao, ka azo antoka fa vitany ny manome boky antsika sy miaro azy io. Toy ny hoe manisy fetra ny herin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra aho raha milaza fa tsy mahavita an’izany izy. Izaho ve dia ho sahy hanao an’izany?”—Isaia 40:8.

^ feh. 3 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Baiboly Tokony Hovakinao?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2008.