Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ny olona ve no namorona ny fivavahana?

MISY MILAZA FA ny olona no namorona ny fivavahana. Ny hafa indray mihevitra fa Andriamanitra no nampisy ny fivavahana mba hanampiana ny olona hanatona azy. Ahoana ny hevitrao?

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Misy ny “fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika.” (Jakoba 1:27) Avy amin’Andriamanitra àry ny fivavahana madio na marina.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Tsy maintsy manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny fivavahana vao ankasitrahan’Andriamanitra.—Jaona 4:23, 24.

  • Tsy misy dikany ny fivavahana raha hevitr’olombelona no arahiny.—Marka 7:7, 8.

Tsy maintsy mpivavaka any amin’ny fivavahana iray ve ianao vao ankasitrahan’Andriamanitra?

AHOANA NY HEVITRAO?

  • Eny

  • Tsia

  • Arakaraka

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory.’ (Hebreo 10:24, 25) Tian’Andriamanitra àry ny mpanompony raha miara-mivavaka sady voalamina tsara.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Tokony hitovy ny zavatra inoan’ireo miara-manompo an’Andriamanitra.—1 Korintianina 1:10, 11.

  • Toy ny fianakaviambe maneran-tany ny olona ao amin’ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra.—1 Petera 2:17.