Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ho biby no natao vodiondry

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana ny Israelita no nanome vodiondry?

TAMIN’NY andron’ny fampakaram-bady no nomena ny vodiondry taloha, ary ny fianakavian-dravehivavy no nomena azy io. Mety ho zava-tsarobidy izy io, na biby, na vola. Mety ho asa koa anefa izy io. Nanaiky hiasa ho an’ny dadan’i Rahely nandritra ny fito taona, ohatra, i Jakoba mba hahafahany manambady azy. (Gen. 29:17, 18, 20) Inona no antony nanomezana ny vodiondry?

Hoy i Carol Meyers, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Tena ilaina ny asan’ny zanakavavy, tao amin’ny fianakaviana [tantsaha]. Tsy ho afaka hanao an’izany asa izany intsony anefa izy rehefa manambady. Mba hanonerana an’izany àry no nanomezana ny vodiondry.” Manamafy ny fifandraisan’ny fianakaviana roa tonta koa ny vodiondry. Efa lasa mpihavana mantsy ry zareo, ary mety hanampy izany rehefa ao anatin’ny sarotra. Manaporofo koa izy io hoe efa fofombadin’olona ilay vehivavy, ary tsy ho ela dia ilay vadiny indray no hiaro sy hikarakara azy fa tsy ny dadany intsony.

Tsy midika anefa izany hoe azo namidy na novidina ny vehivavy. Hoy ny boky Ny Fiainana sy ny Fombafomba Tany Israely Fahiny (anglisy): “Hoatran’ny hoe raharaham-barotra ny fanambadiana tany Israely, satria tsy maintsy nanome vola na zavatra mitovitovy amin’izany ho an’ny fianakavian-dravehivavy ilay lehilahy. Toa natao hanonerana ny asa tokony ho nataon’ilay vehivavy anefa [ny vodiondry], fa tsy hoe vola nividianana azy akory.”

Mbola fanao any amin’ny tany sasany ny manome vodiondry. Rehefa mitaky vodiondry ny ray aman-dreny kristianina, dia ataony “fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja” izy ireo, ka tsy mitaky zavatra tafahoatra. (Fil. 4:5; 1 Kor. 10:32, 33) Asehony amin’izany hoe tsy “tia vola” izy ireo sady mahay mianina. (2 Tim. 3:2) Rehefa tsy mitaky zavatra tafahoatra koa ny ray aman-dreny kristianina, dia tsy voatery hanemotra an’ilay mariazy foana ny lehilahy iray mandra-pahazony vola ampy hatao vodiondry. Tsy voatery hiala tsy ho mpisava lalana koa izy, satria hoe vola be no takina aminy hatao vodiondry dia tsy maintsy hiasa tontolo andro izy mba hahazoana an’izany.

Misy lalàna momba ny vodiondry any amin’ny tany sasany. Raha izany, dia mankatò an’ireny lalàna ireny ny ray aman-dreny kristianina. Fa maninona? Satria asain’ny Tenin’Andriamanitra ‘manaiky ny manam-pahefana’ ny Kristianina, ary mankatò lalàna raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany.​—Rom. 13:1; Asa. 5:29.