Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Navelan’ny Romanina halevina hoatran’ny olon-drehetra ihany ve izay novonoina teo amin’ny tsato-kazo, hoatran’i Jesosy?

BETSAKA ny olona mahafantatra hoe nahantona teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy, ary nisy jiolahy roa niara-nahantona taminy, ka ny iray teo ankavanany ary ny iray teo ankaviany. (Mat. 27:35-38) Nampiady hevitra ny olona anefa ilay fitantaran’ny Baiboly hoe nokarakaraina ny fatin’i Jesosy, ary avy eo nalevina tao am-pasana.​—Mar. 15:42-46.

Misalasala ny olona sasany mpitsikera ny Filazantsara raha navela hahazo fandevenana mendri-kaja ihany ny olona nomelohina ho faty, ohatra hoe nalevina tao am-pasana. Hoatran’ny tsy izany mantsy, hono, no natao tamin’ireny olona ireny. Nanazava ny antony nahatonga ny olona hieritreritra hoatr’izany ilay mpanao gazety atao hoe Ariel Sabar. Izao no nosoratany tao amin’ny gazety Smithsonian (anglisy): “Ny fatritran’olona ihany no nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy neken’ny sain’ny manam-pahaizana sasany àry ny hoe navelan’ny Romanina hahazo fandevenana mendri-kaja ny olona hoatr’izany.” Tian’ny Romanina ho afa-baraka tanteraka ny jiolahy nomelohina ho faty. Matetika àry no navela teo amin’ny tsato-kazo ny fatin’izy ireny mba hohanin’ny bibidia. Mety ho natsipy tany amin’ny fasana iombonana avy eo izay ambinambiny teo.

Hafa mihitsy anefa ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany, fara faharatsiny, ho an’ny Jiosy sasany nomelohina ho faty. Nahita taolan’olona novonoina tamin’ny taonjato voalohany mantsy ry zareo, tamin’ny 1968. Tao anaty vata tao amin’ny fasan’ny fianakaviana jiosy iray tany akaikin’i Jerosalema ireo taolana ireo. Anisan’izany ny taolana voditongotra iray. Nisy fantsika nirefy 11,5 santimetatra nampiraikitra an’ilay izy tamin’ny hazo fisaka. Nilaza i Sabar fa “voditongotry ny lehilahy iray antsoina hoe Yehochanan ilay izy. Iny no namarana an’ilay adihevitra hatramin’izay hoe nalevina tao am-pasana marina ve i Jesosy, araka ny tantarain’ny Filazantsara.” “Ny voditongotr’i Yehochanan no manaporofo hoe navelan’ny Romanina halevina hoatran’ny Jiosy rehetra ihany ny olona nahantona teo amin’ny tsato-kazo, anisan’izany i Yehochanan, izay nomelohina tamin’ny andron’i Jesosy.”

Samy manana ny heviny momba ny paozin’i Jesosy teo amin’ny tsato-kazo ny olona, rehefa nahita an’iny voditongotra iny. Ny azo antoka aloha dia hoe nahazo fandevenana mendri-kaja ihany ny jiolahy sasany nomelohina ho faty, fa tsy natsipitsipy tany amin’ny fasana iombonana fotsiny. Marina tsara àry ilay lazain’ny Baiboly hoe nalevina tao am-pasana ny fatin’i Jesosy, araka ny porofo hitantsika teo.

Izao anefa no tena zava-dehibe: I Jehovah mihitsy no efa nilaza fa halevina ao amin’ny fasan’ny lehilahy iray mpanankarena i Jesosy, ary tsy hisy hahasakana ny tenin’Andriamanitra tsy ho tanteraka.​—Isaia 53:9; 55:11.