Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no asan’ny mpiandraikitra ny tao an-trano?

NIANDRAIKITRA ny ankohonana na ny fananan’olon-kafa ny mpiandraikitra ny tao an-trano.

Lasa mpiandraikitra ny tao an-tranon’ny tompony i Josefa, zanak’i Jakoba, tamin’izy andevo tany Ejipta. Nankinin’ny tompony taminy daholo “izay rehetra nananany.” (Gen. 39:2-6) Na i Josefa koa aza nanendry lehilahy iray hiandraikitra ny tao an-tranony, tamin’izy lasa mpitondra tany Ejipta.—Gen. 44:4.

Matetika no tsy nipetraka teny akaikin’ny toeram-pamboleny ny olona, tamin’ny andron’i Jesosy, fa tany an-tanàn-dehibe. Nanendry mpiandraikitra àry izy mba hanara-maso ny asa natao teo amin’ilay toeram-pambolena.

Olona hoatran’ny ahoana no nahafeno fepetra ho mpiandraikitra ny ao an-trano? Nilaza i Columella, mpanoratra romanina tamin’ny taonjato voalohany, hoe mpanompo “efa zatra niasa” teny amin’ny toeram-pambolena no tokony hotendrena hanao an’izany. “Tsy tokony hasiaka be na hilefitra be izy rehefa mampihatra ny fahefany.” Hoy koa i Columella: “Izao no tena notakina taminy: Tokony hazoto hianatra foana izy, fa tsy hiseho ho mahay ny zavatra tsy hainy akory.”

Mampiasa ohatra momba ny mpiandraikitra ny ao an-trano sy ny asa ataony koa ny Baiboly, mba hanazavana ny zavatra sasany atao eo anivon’ny fiangonana. Nilaza, ohatra, ny apostoly Petera fa “mpanompo tsara miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra” ny Kristianina, ka tokony hampiasa an’izay fahaizana nomen’Andriamanitra mba hifanompoana.—1 Pet. 4:10.

Na i Jesosy aza nampiasa fanoharana momba ny mpiandraikitra ny ao an-trano, ao amin’ny Lioka 16:1-8. Nilaza faminaniana momba ny famantarana ny fanatrehany koa izy indray mandeha, dia nomeny toky ny mpianany hoe hanendry “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy. Nantsoiny koa hoe “mpiandraikitra ny ao an-trano” izy io. Inona no tena asan’ilay mpanompo? Ny hanome sakafo ara-panahy tsy tapaka ho an’ny mpanara-dia an’i Kristy, mandritra ny andro farany. (Mat. 24:45-47; Lioka 12:42, f.a.p.) Mamoaka boky sy gazety mba hanatanjahana ny finoantsika io mpanompo io, ary mampiely an’izany eran-tany. Tena faly isika mahazo an’izany!