Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tia ny Namanao Tahaka ny Tenanao’ ve Ianao?

‘Tia ny Namanao Tahaka ny Tenanao’ ve Ianao?

“Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—MAT. 22:39.

HIRA: 73, 36

1, 2. Inona no lazain’ny Baiboly mba hanasongadinana fa zava-dehibe ny fitiavana?

TOETRA mampiavaka an’i Jehovah Andriamanitra ny fitiavana, ary mahalala tsara an’izany i Jesosy. (1 Jaona 4:16) Izy mantsy no noforonin’Andriamanitra voalohany, ary niaraka taminy tany an-danitra nandritra ny an’arivony tapitrisa taona. (Kol. 1:15) Tena niaiky i Jesosy hoe be fitiavana i Jehovah Andriamanitra ka nanahaka azy foana izy, na tany an-danitra na tetỳ an-tany. Afaka matoky àry isika fa ho mpitondra be fitiavana foana i Jehovah sy Jesosy.

2 Hoy i Jesosy rehefa nisy nanontany azy hoe inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo. Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ ”—Mat. 22:37-39.

3. Iza no ‘namantsika’?

3 Tena tokony ho tiantsika ny olona rehetra. Nilaza mantsy i Jesosy fa tokony ho tia ‘namana’ isika, raha vao avy niteny izy hoe tokony ho tia an’i Jehovah isika. Iza avy àry no ‘namantsika’? Ny vadinao no namanao akaiky indrindra, raha manambady ianao. Namantsika akaiky koa ny mpiara-manompo amintsika eo anivon’ny fiangonana. Eo koa ny olona hitantsika eny am-pitoriana. Inona no tokony hataon’ny olona manompo an’i Jehovah sy mankatò ny fampianaran’ny Zanany, mba hanaporofoana fa tia namana izy ireo?

TIAVO NY VADINAO

4. Nahoana no azo atao ny manana tokantrano sambatra na dia tsy lavorary aza?

4 I Jehovah no namorona ny fanambadiana, satria izy no nanambatra an’i Adama sy Eva ho mpivady. Tiany ho sambatra sy hiaraka mandrakizay izy ireo, ary hiteraka sy hameno ny tany. (Gen. 1:27, 28) Nikomy anefa izy ireo ka nikorontana ny tokantranony, ary lasa mpanota sy maty ny olombelona rehetra. (Rom. 5:12) Na izany aza, dia atoron’ny Baiboly hoe ahoana no hananana tokantrano sambatra. Avy amin’i Jehovah ny Baiboly ka ao no misy ny torohevitra tsara indrindra momba ny fanambadiana.—Vakio ny 2 Timoty 3:16, 17.

5. Nahoana ny mpivady no tena mila manana fitiavana?

5 Ny fitiavana dia ny fihetseham-po anananao rehefa tena miraiki-po sy tsy mahafoy olona iray ianao. Resahin’ny Tenin’Andriamanitra fa tena ilaina izy io, raha te hifandray tsara amin’ny hafa. Tena mila manana fitiavana ny mpivady. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.” (1 Kor. 13:4-8) Azo antoka fa ho sambatra kokoa ny mpivady raha misaintsaina sy mampihatra an’izany.

Atoron’ny Tenin’Andriamanitra antsika hoe ahoana no hananana tokantrano sambatra (Fehintsoratra 6, 7)

6, 7. a) Inona no lazain’ny 1 Korintianina 11:3? b) Ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy kristianina ny vadiny?

6 Hoy i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 11:3: “Tiako ho fantatrareo fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.” Tsy mety anefa ny manjakazaka rehefa mampihatra fahefana. Tena ilaina àry ny fitiavana. I Jehovah no lohan’i Kristy, nefa tsara fanahy sy tsy tia tena izy, rehefa mifandray aminy. Nanaiky ny fahefan’Andriamanitra i Jesosy. Hoy izy: “Tiako ny Ray.” (Jaona 14:31) Tsy ho nilaza an’izany mihitsy i Jesosy raha nasiaka na nanjakazaka taminy ny Rainy.

7 Ampirisihin’ny Baiboly “hanome voninahitra” ny vadiny ny lehilahy, na dia izy aza no loham-pianakaviana. (1 Pet. 3:7) Manome voninahitra ny vadiny, ohatra, izy raha mieritreritra an’izay ilainy. Avelany hanao safidy koa ny vadiny indraindray. Hoy ny Baiboly: “Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efes. 5:25) Na ny ainy aza nafoin’i Jesosy ho an’ny mpanara-dia azy. Ho mora kokoa amin’ny vehivavy ny hanaja sy ho tia ary hanaiky ny vadiny, raha be fitiavana toa an’i Jesosy ilay lehilahy.—Vakio ny Titosy 2:3-5.

TIAVO NY MPIARA-MANOMPO AMINAO

8. Ahoana no tokony hifampitondran’ny mpanompon’i Jehovah?

8 Olona an-tapitrisany eran-tany no manompo an’i Jehovah sy mitory momba ny anarany sy ny fikasany. Ahoana no tokony hifampitondran’izy ireo? Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Gal. 6:10; vakio ny Romanina 12:10.) Hoy koa ny apostoly Petera: “Nanadio ny fiainanareo ianareo rehefa nankatò ny fahamarinana, ka ny vokatr’izany, dia fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy, ary koa fifankatiavana fatratra amin’ny fo.” Hoy ihany izy tamin’ny mpiray finoana taminy: “Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava fatratra.”—1 Pet. 1:22; 4:8.

9, 10. Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no miray saina?

9 Tena mifankatia isika mpanompon’i Jehovah, ka tsy misy fandaminana mitovy amin’ny antsika eran-tany. Tia an’i Jehovah sy mankatò ny lalàny koa isika, ka omeny ny fanahiny masina. Io no hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao. Mampiray saina izy io, ka tena toy ny mpirahalahy ny mpanompon’i Jehovah eran-tany.—Vakio ny 1 Jaona 4:20, 21.

10 Nasongadin’i Paoly fa mila mifankatia ny Kristianina. Hoy izy: ‘Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po. Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.’ (Kol. 3:12-14) Faly isika satria tena mifankatia, na dia samihafa firenena aza. “Fatorana mampiray tonga lafatra” tokoa ny fitiavana.

11. Inona no mampiavaka ny mpanompon’i Jehovah?

11 Tena mifankatia sy miray saina ny mpanompon’i Jehovah. Izany no ahalalana fa ny fivavahan’izy ireo ihany no marina. Hoy mantsy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Hoy koa ny apostoly Jaona: “Izao no ahitana miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny Devoly: Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra. Toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny. Izao tokoa no hafatra efa renareo hatrany am-piandohana: Tokony hifankatia isika.” (1 Jaona 3:10, 11) Tena miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah satria mifankatia, ary porofo izany fa izy ireo no tena mpanara-dia an’i Kristy. Izy ireo no ampiasain’Andriamanitra hanatanteraka an’ilay fikasany hoe hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.—Mat. 24:14.

“VAHOAKA BE”

12, 13. Inona izao no ataon’ny “vahoaka be”, ary inona no hataon’i Jehovah ho azy ireo?

12 Anisan’ilay ‘vahoaka be avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra’ ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah. ‘Mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy]’ izy ireo. Iza ireo “vahoaka be” ireo? “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.” Midika izany fa mino ny sorom-panavotan’i Jesosy izy ireo. Tia an’i Jehovah sy ny Zanany izy ireo ary “manao fanompoana masina ho azy andro aman’alina.”—Apok. 7:9, 14, 15.

13 Tsy ho ela Andriamanitra dia handringana an’ity tontolo ratsy ity amin’ny “fahoriana lehibe.” (Mat. 24:21; vakio ny Jeremia 25:32, 33.) Harovany anefa ny vahoakany amin’ny fitambarany satria tena tiany. Hampidiriny ao amin’ny tontolo vaovao izy ireo. Hoy ny faminaniana iray, efa ho 2 000 taona lasa izay: ‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ Tena tianao ve ny hiaina ao amin’ny Paradisa, amin’izay fotoana izay?—Apok. 21:4.

14. Manao ahoana ny habetsahan’ny vahoaka be?

14 Dimy arivo teo ho eo monja ny mpanompon’i Jehovah eran-tany rehefa nanomboka ny andro farany, tamin’ny 1914. Nazoto nitory momba an’ilay Fanjakana ireo sisa voahosotra ireo, satria tia namana sady nampian’ny fanahin’Andriamanitra. Lasa misy àry ny vahoaka be, izay manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Efa 8 000 000 eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ary mivory any amin’ny fiangonana 115 400 mahery. Mbola mitombo isa foana anefa isika. Vavolombelona 275 500 mahery, ohatra, no vita batisa tamin’ny taom-panompoana 2014, izany hoe 5 300 eo ho eo isan-kerinandro.

15. Nahoana no maro be no mandre ny vaovao tsara ankehitriny?

15 Mandroso be ny asa fitoriana. Mivoaka amin’ny fiteny 700 mahery izao ny boky sy gazetintsika. Ny Tilikambo Fiambenana no gazety miely indrindra eran-tany. Mivoaka amin’ny fiteny 247 izy io ary 52 000 000 mahery no atao pirinty isam-bolana. Efa misy amin’ny fiteny 250 mahery koa ilay boky fampianarantsika Baiboly hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Efa 200 000 000 mahery no natao pirinty tamin’izy io.

16. Nahoana no mandroso be ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah?

16 Mino an’i Jehovah isika sady manaiky fa Teniny ny Baiboly, ka izany no mahatonga antsika hitombo be. (1 Tes. 2:13) Tena mandroso be ny fandaminan’i Jehovah na dia mankahala sy manenjika antsika aza i Satana, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity.”—2 Kor. 4:4.

TIAVO FOANA NY OLON-DREHETRA

17, 18. Tokony hanao ahoana isika rehefa mifandray amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah?

17 Tokony hanao ahoana isika rehefa mifandray amin’ny olona tsy manompo an’ilay tena Andriamanitra? Mihaino tsara antsika ny olona sasany itoriantsika, fa ny hafa kosa tezitra. Atoron’ny Baiboly antsika izay tokony hataontsika, na mihaino antsika ny olona na tsia. Voalaza ao hoe: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Kol. 4:6) Miezaha ‘halemy fanahy sy hanaja lalina’, rehefa ‘milaza ny fiarovan-tenanao eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinao.’—1 Pet. 3:15.

18 Asehontsika foana fa be fitiavana isika, na dia tsy mihaino antsika sy mivazavaza amintsika aza ny olona itoriantsika. Manahaka an’i Jesosy isika. “Tsy mba nanevateva izy rehefa nisy nanevateva, ary tsy mba nandrahona rehefa nijaly, fa nanankina foana ny fiainany kosa tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny”, izany hoe i Jehovah. (1 Pet. 2:23) Manetry tena foana isika, na miaraka amin’ny mpiray finoana amintsika na amin’olon-kafa. Arahintsika ity torohevitra ity: “Aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva rehefa misy manevateva. Aoka kosa ianareo hirary soa.”—1 Pet. 3:8, 9.

19. Inona no toro lalana tokony harahintsika rehefa misy manohitra antsika?

19 Misy toro lalana lehibe nomen’i Jesosy ao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Hankatò azy io isika raha manetry tena. Hoy i Jesosy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao.’ Izaho kosa anefa milaza aminareo hoe: Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Izy mantsy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Mat. 5:43-45) Tsy maintsy miezaka ho ‘tia ny fahavalontsika’ isika mpanompon’Andriamanitra, na tsara fanahy amintsika izy ireo na tsia.

20. Nahoana no ho tia an’Andriamanitra sy ny namany daholo ny olona ao amin’ny tontolo vaovao? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

20 Tsy maintsy asehontsika foana amin’ny fihetsitsika sy ny ataontsika fa tia an’i Jehovah sy ny namantsika isika. Tsy mihaino antsika, ohatra, ny olona sasany itoriantsika, nefa ampiantsika ihany izy ireny rehefa mila vonjy. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka tsy hisy trosan’olona any aminareo, afa-tsy ny fifankatiavanareo, fa izay tia ny mpiara-belona aminy dia efa manatanteraka ny lalàna. Fa ny fehezan-dalàna hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra’, mbamin’izay didy hafa rehetra, dia efa voafintina amin’izao teny izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.” (Rom. 13:8-10) Vavolombelon’i Jehovah isika ka miezaka ho tena tia olona, na dia misara-bazana sy mahery setra ary ratsy fanahy aza ny olona eto amin’ity tontolon’i Satana ity. (1 Jaona 5:19) Hanjaka eto an-tany ny fitiavana, rehefa tsy ho eo intsony i Satana sy ny demonia ary ny olona mikomy amin’Andriamanitra. Ho sambatra tokoa isika amin’izay, satria ho tia an’Andriamanitra sy ny namany daholo ny olona eto an-tany.