Akaiky Kokoa An’Andriamanitra ve ny Olona Mifady Hanina?
Akaiky Kokoa An’Andriamanitra ve ny Olona Mifady Hanina?
‘Manjary mifantoka bebe kokoa amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ianao rehefa mifady hanina, ary mahatsapa fa tsy ny zavatra hita maso no tena misy vidiny.’—VEHIVAVY KATOLIKA.
‘Manampy anao hifandray amin’Andriamanitra ny fifadian-kanina.’ —MPITONDRA FIVAVAHANA JIOSY.
‘Zavatra tsy maintsy atao ny fifadian-kanina ao amin’ny fivavahanay. Io no fomba anehoako ny fitiavako an’Andriamanitra sy ny fankasitrahako azy. Mifady hanina aho satria tia azy.’—MPIVAVAKA AO AMIN’NY BAHA’I.
FANAON’NY fivavahana maro ny mifady hanina. Anisan’izany ny Bodisma, ny Hindoisma, ny Silamo, ny Jainisma, ary ny Jodaisma. Maro no mino fa lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra ny olona rehefa mifady hanina.
Ahoana ny hevitrao? Tokony hifady hanina ve ianao? Inona no lazain’ny Baiboly?
Fifadian-kanina fahiny
Maro ny antony nahatonga ny olona fahiny hifady hanina, ary nankasitrahan’Andriamanitra izany. Nanao izany ny sasany mba hanehoana fa nalahelo mafy izy na nibebaka noho ny fahotany. (1 Samoela 7:4-6) Tao koa ireo nanao izany mba hitalahoana amin’Andriamanitra na hangatahana ny tari-dalany (Mpitsara 20:26-28; Lioka 2:36, 37), na mba hifantohana tsara rehefa misaintsaina.—Matio 4:1, 2.
Miresaka fifadian-kanina tsy nankasitrahan’Andriamanitra koa anefa ny Baiboly. Nifady hanina, ohatra, i Saoly Mpanjaka talohan’ny hanatonany mpamoha angatra. (Levitikosy 20:6; 1 Samoela 28:20) Nanao antso avo mba hanokanana fotoana hifadian-kanina koa ny olona ratsy fanahy, toa an’i Jezebela sy ireo Jiosy nitetika ny hamono ny apostoly Paoly. (1 Mpanjaka 21:7-12; Asan’ny Apostoly 23:12-14) Nalaza ho nifady hanina tsy tapaka ny Fariseo. (Marka 2:18) Nomelohin’i Jesosy anefa izy ireo, ary tsy neken’Andriamanitra ny zavatra nataony. (Matio 6:16; Lioka 18:12) Tsy noraharahain’i Jehovah koa ny fifadian-kanina nataon’ny Israelita sasany, satria ratsy ny fitondran-tenany sy ny antony nifadiany hanina.—Jeremia 14:12.
Asehon’ireo ohatra ireo fa tsy hoe rehefa mifady hanina ny olona dia ankasitrahan’Andriamanitra. Nisy kosa anefa mpanompon’Andriamanitra tso-po nifady hanina, ary nankasitrahany. Tokony hifady hanina àry ve ny Kristianina?
Tsy maintsy mifady hanina ve ny Kristianina?
Nandidy ny Jiosy mba “hampahory tena” ny Lalàn’i Mosesy, izany hoe hifady hanina indray mandeha isan-taona, amin’ny Andro Fanavotana. (Levitikosy 16:29-31; Salamo 35:13) Io ihany no fifadian-kanina nandidian’i Jehovah ny vahoakany. a Tokony hankatò an’io didy io ireo Jiosy teo ambany Lalàn’i Mosesy. Tsy asaina mitandrina ny Lalàn’i Mosesy anefa ny Kristianina.—Romanina 10:4; Kolosianina 2:14.
Marina fa nifady hanina i Jesosy, araka ny notakin’ny Lalàn’i Mosesy, nefa tsy nalaza ho mpifady hanina izy. Nolazainy tamin’ny mpianany fotsiny izay tokony hatao raha nifidy ny hifady hanina izy ireo, fa tsy nandidy azy ireo hifady hanina mihitsy izy. (Matio 6:16-18; 9:14) Nahoana àry izy no nilaza fa hifady hanina ny mpianany aorian’ny hahafatesany? (Matio 9:15) Tsy didy no nomeny tamin’io. Te hilaza fotsiny izy fa halahelo mafy ny mpianany ka tsy te hihinan-kanina, rehefa maty izy.
Misy fitantarana roa momba ny Kristianina voalohany nifidy ny hifady hanina ao amin’ny Baiboly. Hita avy amin’ireo fa eken’Andriamanitra ilay izy, raha noho ny antony tsara no anaovana azy. (Asan’ny Apostoly 13:2, 3; 14:23) b Tsy voatery hifady hanina àry ny Kristianina. Misy fandrika tokony hahamailo an’izay mifidy ny hanao izany anefa.
Mitandrema amin’ny fandrika
Fandrika tokony hotandremana ny fiheveran-tena ho marina. Mampitandrina antsika tsy haneho “fanetren-tena sarintsariny” ny Baiboly. (Kolosianina 2:20-23) Nihevi-tena ho mendrika noho ny hafa ny Fariseo iray tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, noho izy nifady hanina tsy tapaka. Nasehon’i Jesosy mazava tsara anefa fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny toe-tsaina toy izany.—Lioka 18:9-14.
Tsy hety koa ny hampideraderana hoe mifady hanina ianao, na noho ny fampirisihan’ny olona no mahatonga anao hifady. Manoro hevitra antsika i Jesosy, araka ny Matio 6:16-18, fa tokony ho anao sy Andriamanitra manokana izany, ka tsy hampahafantarina amin’ny hafa.
Ankoatra izany, dia tsy tokony hisy hieritreritra mihitsy fa mahonitra ny fahotana ny fifadian-kanina. Tsy maintsy mankatò ny lalàn’Andriamanitra ny olona mifady hanina vao hekeny. (Isaia 58:3-7) Ny fibebahana vokatry ny fo no ahazoana famelan-keloka, fa tsy dia ny fifadian-kanina loatra. (Joela 2:12, 13) Antitranterin’ny Baiboly fa mahazo famelan-keloka isika noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah, izay nasehony tamin’ny alalan’ny soron’i Kristy. Tsy noho izay zavatra ataontsika, toy ny fifadian-kanina, àry no ahazoana famelan-keloka.—Romanina 3:24, 27, 28; Galatianina 2:16; Efesianina 2:8, 9.
Fahita koa ilay fahadisoana voaresaka ao amin’ny Isaia 58:3. Nilaza toy izao ny Israelita ao: “Fa nahoana no tsy jerenao izahay rehefa mifady hanina, ary tsy raharahainao rehefa mampahory tena?” Te hilaza izy ireo fa tokony hanome tambiny azy i Jehovah noho izy nifady hanina, toy ireny hoe nanao soa tamin’i Jehovah ireny izy. Maro koa ankehitriny no mieritreritra fa tokony hanao soa aminy Andriamanitra, satria izy mifady hanina. Enga anie isika tsy hanahaka mihitsy an’izany toe-tsaina tsy araka ny Soratra Masina sy tsy misy fanajana izany!
Ao koa ireo mino fa afaka mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra izy rehefa mampijaly tena amin’ny fifadian-kanina, na fikapohan-tena, na ny toy izany. Melohin’ny Tenin’Andriamanitra anefa izany, ary asehony fa “tsy manampy eo amin’ny ady atao” amin’ny fanirian-dratsy “ny fampijalian-tena.”—Kolosianina 2:20-23.
Mahaiza mandanjalanja
Tsy hoe zavatra tsy maintsy atao ny fifadian-kanina, nefa koa tsy hoe ratsy. Mety hahasoa izany indraindray raha halavirina ireo fandrika voalaza etsy ambony. Tsy ny fifadian-kanina anefa no tokony himasoana mba haneken’Andriamanitra ny fivavahantsika. “Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ary tiany ho faly ny mpanompony. (1 Timoty 1:11) Hoy ny Teniny: ‘Tsy misy mahasoa azy ireo mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary mifaly noho ny asa mafy nisasarany. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.’—Mpitoriteny 3:12, 13.
Tokony hahafaly ny fivavahantsika. Tsy mifandray mihitsy anefa ny fifaliana sy ny fifadian-kanina ao amin’ny Baiboly. Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana no asa mahafaly nankinin’ny Mpamorona amin’ny tena Kristianina. Tsy hahasoa mihitsy anefa ilay fifadian-kanina raha toa ka manimba ny fahasalamantsika, na mandany ny hery tokony hanaovantsika an’io asa io.
Tsy tokony hitsara ny hafa isika, na mifidy ny hifady hanina na tsia. Tsy tokony hisy adihevitra momba izany eo amin’ny tena Kristianina, satria “ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy midika hoe fihinanana sy fisotroana, fa fahamarinana sy fihavanana ary fifaliana amin’ny alalan’ny fanahy masina kosa.”—Romanina 14:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy didy avy amin’Andriamanitra ilay fifadian-kanina nataon-dry Estera, na dia toa nankasitrahany aza. Ankehitriny, dia ny Fifadian-kanin’i Estera no ataon’ny Jiosy alohan’ny Fetin’ny Porima.
b Nanatsofohana firesahana momba ny fifadian-kanina ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly sasany, saingy tsy hita ao amin’ny sora-tanana grika tranainy ireny teny nasisika ireny.—Matio 17:21, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara; Asan’ny Apostoly 10:30, Fandikan-teny Katolika.
[Teny notsongaina, pejy 28]
Naneho fanetren-tena sarintsariny ny Fariseo rehefa nifady hanina
[Teny notsongaina, pejy 29]
“Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy midika hoe fihinanana sy fisotroana, fa fahamarinana sy fihavanana ary fifaliana”
[Efajoro, pejy 29]
Ary ny Karemy?
Voalaza fa fankalazana ny 40 andro nifadian’i Kristy hanina ny 40 andro ifadian-kanina amin’ny Karemy. Tsy nandidy ny mpianany hankalaza ny nifadiany hanina mihitsy anefa i Jesosy, ary tsy misy porofo hoe nanao izany izy ireo. Tao amin’ny taratasin’i Athanase, arseveka ortodoksa tamin’ny taona 330, no nisy firesahana voalohany momba ny 40 andro ifadian-kanina alohan’ny Paka.
Taorian’ny batisany i Jesosy no nifady hanina fa tsy talohan’ny nahafatesany. Toa hafahafa àry ny mahita fa mandritra ny herinandro vitsivitsy alohan’ny Paka ny fivavahana sasany no manao Karemy. Fanaon’ny Babylonianina sy Ejipsianina ary Grika fahiny anefa ny nifady hanina 40 andro, nandritra ireo volana voalohandohany amin’ny taona. Azo inoana àry fa nalaina avy amin’izany io fanao lazaina fa kristianina io.