Azonao ve ny Dikan’ireo Sarin-teny ao Amin’ny Baiboly?
Azonao ve ny Dikan’ireo Sarin-teny ao Amin’ny Baiboly?
MAHALAZA zavatra betsaka ny sary anankiray. Teny iray na roa monja koa anefa dia efa afaka mampita sary ao an-tsaina. Sarin-teny no iantsoana ny teny toy izany, ary feno azy ireny ao amin’ny Baiboly. * Voalaza fa nampiasa sarin-teny 50 mahery i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.
Tokony handinika tsara an’ireny sarin-teny ireny ianao. Nahoana? Raha fantatrao ny dikan’izy ireny, dia hahaliana sy hahafinaritra kokoa ny famakianao Baiboly, ary ho azonao tsara ny Tenin’Andriamanitra. Ho takatrao kokoa ny hafatra raketiny, raha fantatrao hoe sarin-teny no ampiasaina ao amin’ilay andinin-teny vakinao sady hainao ny dikany. Mety hikorontana mantsy ny sainao raha raisinao ara-bakiteny ny sarin-teny, ary mety hanatsoaka hevi-diso ianao.
Fantaro ny dikan’ny sarin-teny
Mampitaha hevitra roa samy hafa ny sarin-teny. Ilay hevitra ampitahaina no antsoina hoe foto-dresaka, ary ilay hevitra ampitahaina aminy no atao hoe sary. Asongadina amin’ilay fampitahana ny lafiny mampitovy azy ireo. Mila fantarinao tsara ireo zavatra telo ireo, raha tianao ny hahatakatra ny tena dikan’ny sarin-teny.
Mety ho mora ny manavaka ny foto-dresaka sy ny sary. Mety ho maromaro kosa ny lafiny mampitovy azy ireo. Ahoana no hamantaranao an’ilay fitoviana tiana hasongadina? Matetika no tena manampy ny teny manodidina. *
Nilaza tamin’ny fiangonan’i Sardisy, ohatra, i Jesosy hoe: “Raha tsy mifoha ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra aho.” Nampitahain’i Jesosy tamin’ny fiavian’ny mpangalatra (sary) ny fiaviany (foto-dresaka). Inona no lafiny mampitovy azy ireo? Manampy antsika hamantatra izany ny teny manodidina. Hoy ihany i Jesosy: “Tsy ho fantatrao mihitsy izay ora hahatongavako eo aminao.” (Apokalypsy 3:3) Tsy ny antony hahatongavany àry no nasongadin’i Jesosy. Tsy te hilaza izy hoe ho avy hangalatra. Ho tampoka toy ny fiavian’ny mpangalatra kosa ny fiaviany.
Mety hanampy anao hamantatra ny dikan’ny sarin-teny ao amin’ny andinin-teny iray, ny fahitana azy io any amin’ny andinin-teny hafa. Nampiasa sarin-teny toy ilay nampiasain’i Jesosy, ohatra, ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Fantatrareo tsara fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah.” (1 Tesalonianina 5:2) Tsy lazain’i Paoly mivantana ao amin’ny teny manodidina ny lafiny mampitovy ny foto-dresaka sy ny sary. Manampy antsika hamantatra ny dikan’io sarin-teny io anefa ny fampitahana azy io amin’ilay sarin-teny nampiasain’i Jesosy ao amin’ny Apokalypsy 3:3. Mampahatsiahy ny tena Kristianina rehetra izy io fa tokony hifoha ara-panahy foana izy ireo!
Sarin-teny momba an’Andriamanitra
Tsy ho takatry ny sain’ny olona amin’ny fomba feno ny toetra sy ny herin’ilay Mahery Indrindra. Hoy i Davida Mpanjaka: ‘Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazan’i Jehovah.’ (Salamo 145:3) Nandinika ny zavatra noforonin’Andriamanitra koa i Joba, ka nilaza hoe: “Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany izany, ary vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy! Fa raha ny kotroka mafy avy aminy kosa, iza no mahalala izany?”—Joba 26:14.
Mampiasa sarin-teny anefa ny Baiboly, mba hahatakaranao ny sombintsombiny amin’ireo toetra mahatalanjona ananan’Andriamanitra. Voalaza ao fa Mpanjaka i Jehovah, Mpanao lalàna, Mpitsara, ary Mpiady. Asehon’izany fa mendrika ny hohajaina izy. Resahina ao koa fa Mpiandry izy, Mpanoro hevitra, Mpampianatra, Ray, Mpanasitrana, ary Mpamonjy. Asehon’izany fa afaka ny ho tia azy ianao. (Salamo 16:7; 23:1; 32:8; 71:17; 89:26; 103:3; 106:21; Isaia 33:22; 42:13; Jaona 6:45) Teny tsotra ireo nefa afaka mampita sary mahafinaritra ao an-tsaina. Afaka mampita hevitra maro kokoa noho ny fanazavana lava be àry ny sarin-teny.
Mampitaha an’i Jehovah amin-javatra tsy mananaina koa ny Baiboly. Voalaza ao fa “Vatolampin’ny Israely” izy, ‘harambato’ ary “fiarovana mafy.” (2 Samoela 23:3; Salamo 18:2; Deoteronomia 32:4) Inona no itovizan’i Jehovah amin’ireo? Mafy be ny vatolampy ary tsy laitra ahontsina. Afaka ny ho fiarovana mafy azo antoka ho anao koa i Jehovah.
Feno sarin-teny momba ny toetran’i Jehovah koa ny bokin’ny Salamo. Resahin’ny Salamo 84:11, ohatra, “fa masoandro sy ampinga i Jehovah Andriamanitra.” Izy mantsy no Loharanon’ny fahazavana sy ny fiainana ary ny hery. Miaro koa izy. Resahin’ny Salamo 121:5 indray fa “i Jehovah no manome alokaloka anao, eo ankavananao.” Miaro anao amin’ny hainandro migaingaina ny alokaloka. Toy izany koa fa miaro ny mpanompony amin’ny loza toy ny hafanam-be i Jehovah, eo amin’ny ‘aloky ny tanany’ na eo amin’ny ‘aloky ny elany.’—Isaia 51:16; Salamo 17:8; 36:7.
Sarin-teny momba an’i Jesosy
Imbetsaka ny Baiboly no milaza fa “Zanak’Andriamanitra” i Jesosy. (Jaona 1:34; 3:16-18) Mety ho sarotra amin’ny olona tsy Kristianina ny mahatakatra an’io hevitra io, satria tsy manambady Andriamanitra sady tsy toy ny olona. Mazava ho azy fa tsy miteraka toy ny olombelona izy. Sarin-teny àry no ampiasaina eo. Natao izy io mba hahatakaran’ny mpamaky fa toy ny fifandraisana eo amin’ny ray sy ny zanaka ny fifandraisan’Andriamanitra sy Jesosy. Asehon’io sarin-teny io koa fa i Jehovah no nanome aina an’i Jesosy, na hoe namorona azy. Noforoniny toy izany koa i Adama, ka nantsoina hoe “zanak’Andriamanitra.”—Lioka 3:38.
Nampiasa sarin-teny maro i Jesosy, mba hampisehoana ny anjara asany amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Nilaza, ohatra, izy hoe: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.” Nampitahainy tamin’ny sampam-boaloboka ny mpianany avy eo. (Jaona 15:1, 4) Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’io sarin-teny io? Tsy tokony hisaraka amin’ilay voaloboka ny sampany mba ho velona sy hamoa. Tsy maintsy tafaray amin’i Kristy koa àry ny mpianany, satria ‘tsy afaka manao na inona na inona mihitsy izy ireo, raha misaraka aminy.’ (Jaona 15:5) Tian’ny mpamboly hamoa ny voalobony. Tian’i Jehovah hamoa koa ireo tafaray amin’i Kristy.—Jaona 15:8.
Ny lafiny mampitovy ny sary sy ny foto-dresaka
Mety ho diso fandray an’ilay sarin-teny isika, raha tsy mahazo ny lafiny mampitovy ny sary sy ny foto-dresaka. Milaza, ohatra, ny Romanina 12:20 hoe: “Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany.” (Prot.) Mamaly faty ve no dikan’ilay hoe manambatra vainafo ho eo an-doha? Tsia. Nalaina avy tamin’ny fomba fandrendrehana metaly fahiny io sarin-teny io. Nasiana vainafo teo ambonin’ilay metaly sy tao ambaniny. Niempo izy io rehefa nahamay be, ka nisaraka tamin’ny tain-drendrika. Raha tsara fanahy amin’ny fahavalonao koa ianao, dia mety hihamalefaka ny fony, ka hivoaka ny toetra tsarany.
Raha haintsika tsara ny dikan’ny sarin-teny, dia hazava ao an-tsaintsika ilay izy sady hanohina ny fontsika. Tsapantsika hoe mavesatra ny fahotana rehefa ampitahaina amin’ny trosa. (Lioka 11:4, fanamarihana ambany pejy) Mahatsiaro ho maivamaivana anefa isika, rehefa mamela ny fahotantsika i Jehovah ary manafoana an’ilay trosa tokony haloantsika. Resahin’ny Baiboly fa ‘manarona fahotana’ izy ary ‘mamono ny fahotantsika’, ka manaisotra azy ireny toy ny mamafa soratra amin’ny solaitra. Afaka matoky isika fa tsy hampiasa an’ireny fahotana ireny intsony izy amin’ny hoavy mba hanasaziana antsika. (Salamo 32:1, 2; Asan’ny Apostoly 3:19) Mampahery koa ny mahalala fa na ny fahotana mena midorehitra aza dia azon’i Jehovah atao fotsy mangatsakatsaka!—Isaia 1:18.
Santionany amin’ireo sarin-teny an-jatony ao amin’ny Baiboly no voaresaka teo. Diniho tsara àry izy ireny rehefa mamaky Baiboly ianao. Makà fotoana hamantarana ny lafiny mampitovy ny foto-dresaka sy ny sary, ary saintsaino tsara izany. Ho takatrao tsara ny Soratra Masina amin’izay, ary hankasitraka azy io kokoa ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Ny teny rehetra ampiasaina an’ohatra no antsoina hoe “sarin-teny” ato amin’ity lahatsoratra ity. Anisan’ireny ny fampitahana sy ny fampitoviana.
^ feh. 6 Manome fanazavana mety hanampy anao hamantatra ny lafiny mampitovy ny foto-dresaka sy ny sary, ny boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina, izay navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fiteny maromaro.
[Efajoro, pejy 13]
Tena Manampy ny Sarin-teny
Manampy antsika amin’ny lafin-javatra maro ny sarin-teny. Azo ampitahaina amin-javatra mora azo, ohatra, ny zavatra iray saro-takarina. Mety hampiasa sarin-teny mihoatra ny iray ianao, mba hanazavana ny lafiny samihafa amin’ilay hevitra tianao hohazavaina. Afaka mampiasa sarin-teny koa ianao rehefa te hanantitrantitra hevi-dehibe, na tianao hahaliana kokoa ilay izy.
[Efajoro, pejy 14]
Zavatra Mila Fantarina
SARIN-TENY: “Ianareo no siran’ny tany.” (Matio 5:13)
FOTO-DRESAKA: Ianareo (mpianatr’i Jesosy)
SARY: Sira
LAFINY MAMPITOVY AZY IREO ETO: Miaro ny zavatra iray tsy ho simba
LESONA: Afaka miaro ain’olona maro ny hafatra torin’ireo mpianatra
[Teny notsongaina, pejy 15]
“I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.”—SALAMO 23:1