Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maniry Hiadan-tsaina ve Ianao?

Maniry Hiadan-tsaina ve Ianao?

Maniry Hiadan-tsaina ve Ianao?

MIADAN-TSAINA ve ianao? Maro no hamaly hoe: ‘Tsia.’ Manjaka any amin’ny tany maro mantsy ny ady, korontana ara-politika, adim-poko, na fampihorohoroana. Na dia tsy misy an’ireo aza any amin’ny tany misy anao, dia azo inoana fa ahitana heloka bevava sy olona mila sotasota. Mety hifamaly aminao koa ny mpiara-miasa na ny mpiara-monina. Fahita ny ady, na dia eo anivon’ny fianakaviana aza.

Maniry hiadan-tsaina ny olona maro. Mivavaka àry izy ireo, na mianatra misaintsaina, na manao yoga. Ny hafa indray manao vakansy, ka mankany an-tendrombohitra sy any amin’ny toerana tsy misy olona, na toerana misy loharano mafana. Toa mahatsiaro ho milamin-tsaina ireny olona ireny, nefa tsy ela dia mahita fa sarintsariny fotsiny ilay fiadanan-tsaina tsapany, sady mihelina ihany.

Aiza àry no hahitana ny tena fiadanan-tsaina? Avy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika, izany. Nahoana? “Andriamanitry ny fiadanana” izy. (Romanina 15:33) Kely sisa dia hitondra ny tany ny Fanjakany, ka “ho be ny fiadanana.” (Salamo 72:7; Matio 6:9, 10) Tsy avy amin’ny fifanarahana momba ny fandriampahalemana ataon’ny olona izany. Tsy ela aorian’ny anaovana azy ireny mantsy dia mipoaka indray ny ady. Hanafoana ny zavatra rehetra miteraka ady sy korontana kosa Andriamanitra. Tsy hisy olona hianatra ady intsony amin’izay. (Salamo 46:8, 9) Tena hiadana ny olona!

Ho tsara tokoa ny fiainana amin’izany. Azo inoana anefa fa efa maniry hiadan-tsaina sahady ianao dieny izao. Inona no azonao atao? Misy torohevitra momba izany ao amin’ny Baiboly. Diniho ny toro lalana nomen’ny apostoly Paoly ao amin’ny Filipianina toko faha-4. Vakio ao amin’ny Baibolinao ny andininy faha-4 ka hatramin’ny faha-13.

“Ny fiadanan’Andriamanitra”

Hoy ny andininy faha-7: “Ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” Tsy hoe rehefa misaintsaina na manatsara ny toetrantsika isika, dia mahazo an’io fiadanana io. Avy amin’Andriamanitra kosa izy io. Tena mahery izy io ka “lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” Mandresy ny fanahiana sy ny hevi-diso ananantsika izy io, ary tsy takatry ny saintsika. Mety tsy hahita vahaolana isika, nefa noho io fiadanan’Andriamanitra io dia afaka manantena fa mbola ho foana ny fahasahiranana rehetra.

Mety hisy hihevitra fa sarotra ny manantena izany. Tadidio anefa fa ‘hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.’ (Marka 10:27) Tsy hanahy tafahoatra isika, raha matoky sy mino azy. Aoka hatao hoe very any an-tsena ny zaza iray. Matoky anefa izy fa hilamina ny zava-drehetra raha vao hitany ny reniny. Mitady ny reniny àry izy. Nitrotro azy ny reniny rehefa nahita azy. Toa an’io zaza io, dia afaka matoky isika fa hikarakara antsika Andriamanitra ary hanampy antsika tsy hanahy intsony.

Maro ny mpanompon’i Jehovah nahatsapa ny fiadanan’Andriamanitra, tao anatin’ny fitsapana nivaivay. Anisan’izany i Nadine, izay afa-jaza. Hoy izy: “Tena sarotra tamiko ny namboraka ny tao am-poko, ary mody niseho ho natanja-tsaina aho. Nalahelo be anefa aho tao anatiko tao. Namboraka ny tao am-poko tamin’i Jehovah àry aho isan’andro ary nangataka fanampiana taminy. Tena tsapako fa mamaly vavaka izy. Rehefa kivy be iny mantsy aho ka mieritreritra fa tsy ho tantiko intsony ilay izy, dia amin’izay indrindra aho no lasa tony sy miadan-tsaina.”

Miaro ny fo sy ny saina

Hiverenantsika ny Filipianina 4:7. Lazainy eo fa hiaro ny fo sy ny saintsika ny fiadanan’Andriamanitra. Miambina ny fontsika, toy ny ataon’ny miaramila mpiambina toby, izy io, mba tsy ho tia harena loatra isika, na hanana toe-tsaina ratsy, na hanahy be loatra.

Olona maro ankehitriny no mihevitra fa ny harena no mampiadana. Manaraka ny torohevitry ny manam-pahaizana izy ireo, ka manao raharaham-barotra. Miadan-tsaina ve izy ireo? Tsy voatery ho izany. Mety hanahy be foana izy ireo isan’andro, ka hijery sao matiantoka. Mety hivadi-po mihitsy aza izy rehefa mandre zava-mitranga mety hamoizany ny volany. Tsy mandrara ny fanaovana raharaham-barotra ny Baiboly, nefa mampitandrina hoe: “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony. Zava-poana koa izany. Mamy ny torimason’ny mpanompo, na kely na be ny sakafony, fa ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory.”—Mpitoriteny 5:10, 12.

Milaza ny tapany farany amin’ny Filipianina 4:7 fa hiambina ny fontsika sy ny saintsika “amin’ny alalan’i Kristy Jesosy” ny fiadanan’Andriamanitra. Inona no ifandraisan’ny fiadanan’Andriamanitra amin’i Kristy Jesosy? Manana anjara asa lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy. Nanao sorona ny ainy izy mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Jaona 3:16) Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra koa izy. Tena mahatonga antsika hiadan-tsaina sy hiadam-po ny fahalalana an’ireo. Nahoana?

Hamela ny helotsika Andriamanitra raha tena mibebaka sy mangata-pamelana aminy miorina amin’ny soron’i Jesosy isika. Mahatonga antsika hiadan-tsaina sy fo izany. (Asan’ny Apostoly 3:19) Tsy hifofotra hangoron-karena toy ny olona tsy manana fanantenana koa isika, raha mitadidy fa mbola tsy afaka mankafy tanteraka ny fiainana raha tsy efa manjaka etỳ an-tany i Kristy. (1 Timoty 6:19) Marina fa mbola manana olana isika, nefa mampahery antsika ny mahafantatra fa ho avy tsy ho ela ny tena fiainana, ary azo antoka izany.

Fomba hahazoana ny fiadanan’Andriamanitra

Ahoana àry no hahazoanao ny fiadanan’Andriamanitra? Hoy ny Filipianina 4:4, 5: “Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo, eny, hoy indray aho: Mifalia! Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo. Akaiky ny Tompo.” Nogadraina tsy ara-drariny tany Roma i Paoly, tamin’izy nanoratra an’ireo. (Filipianina 1:13) Tsy be taraina anefa izy, fa nampirisika ny mpiray finoana taminy hifaly ao amin’ny Tompo kosa. Tsy niankina tamin’ny zavatra nahazo azy àry ny fifaliany, fa tamin’ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Tokony hianatra ny hifaly amin’ny fanompoana an’Andriamanitra koa isika, na inona na inona mahazo antsika. Hitombo ny fifalianao raha ampitomboinao ny fahalalanao azy sy ny fanompoanao. Ary rehefa faly ianao, dia ho afa-po sy hiadan-tsaina.

Ampirisihina koa isika mba hahay handanjalanja. Tsy ho sarotiny loatra amin’ny tenantsika isika amin’izay. Tsy lavorary mantsy isika, ary tsy afaka ny ho tapitr’ohatra. Aza mitady ny tonga lafatra àry, na miezaka ny tsy ho ambanin’ny hafa mihitsy. Aza manantena koa hoe tsy hanao fahadisoana mihitsy ny hafa. Ho tony foana isika amin’izay rehefa misy manafintohina antsika. Midika koa hoe “mandefitra” ilay teny grika nadika hoe “mahay mandanjalanja.” Misoroka ady isika raha mampandefitra ny zavatra tiantsika. Manimba fihavanana mantsy ny ady sady tsy mampilamin-tsaina.

Hoy ny tapany farany amin’ny Filipianina 4:5: “Akaiky ny Tompo.” Toa tsy hita izay ifandraisan’izany amin’ilay torohevitra eo alohany. Marina fa tsy ho ela Andriamanitra dia hitondra tontolo vaovao, amin’ny alalan’ilay Fanjakany. Na dia ankehitriny aza anefa, dia akaikin’izay manatona azy izy. (Asan’ny Apostoly 17:27; Jakoba 4:8) Manjary faly sy mahay mandanjalanja isika, rehefa mahatsapa fa akaiky an’Andriamanitra. Manampy antsika tsy hanahy momba ny hoavy sy momba ireo olana ankehitriny koa izany, araka ny andininy faha-6.

Asehon’ny andininy faha-6 sy faha-7 fa ahafahantsika mahazo ny fiadanan’Andriamanitra koa ny vavaka. Misy mihevitra fa karazana fisaintsainana mba hampitony fotsiny ny vavaka. Hazavain’ny Baiboly anefa fa resaka atao amin’i Jehovah izy io. Azonao resahina aminy izay mahafaly na mampanahy anao, toy ny ataon’ny zanaka amin’ny ray na reny be fitiavana. Tena mampilamin-tsaina ny mahafantatra fa azontsika resahina aminy “ny zava-drehetra.” Azontsika ambara amin’ilay Raintsika any an-danitra izay rehetra ao an-tsaintsika sy any am-pontsika lalina any.

Mampirisika antsika hieritreritra zavatra mampahery ny andininy faha-8. Tsy ampy anefa izany. Milaza ny andininy faha-9 fa tokony hampihatra ny torohevitry ny Baiboly koa isika. Hanana feon’ny fieritreretana madio isika amin’izay, ka tsy hanenjika antsika ny eritreritsika. Aleo, hono, mantsy enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny eritreritra.

Afaka ny hiadan-tsaina àry ianao. Avy amin’i Jehovah Andriamanitra izany, ary omeny an’izay manatona azy sy maniry hanaraka ny tari-dalany. Hahafantatra tsara ny heviny ianao, raha mandinika ny Baiboly. Tsy mora foana akory ny manaraka ny tari-dalany. Mendrika ny hanaovana ezaka anefa izany, satria raha manao izany isika dia ‘ho amintsika ilay Andriamanitry ny fiadanana’!—Filipianina 4:9.

[Teny notsongaina, pejy 10]

“Ny fiadanan’Andriamanitra ... no hiambina ny fonareo.”​—FILIPIANINA 4:7

[Teny notsongaina, pejy 12]

Tena mampilamin-tsaina ny mahafantatra fa azontsika resahina amin’Andriamanitra “ny zava-drehetra”