Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Marina ve ny Fampianaran’ireo Ray Apostolika?

Marina ve ny Fampianaran’ireo Ray Apostolika?

Marina ve ny Fampianaran’ireo Ray Apostolika?

ANOMBOKA nifangaro tamin’ny fampianaran-diso ny fampianarana kristianina, teo am-piandohan’ny taonjato faharoa. Toy ny hoe rano madio nisy nanapoizina izy io. Tanteraka tokoa ny faminanian’ny Baiboly hoe hiala amin’ny fahamarinana ny olona sasany aorian’ny hahafatesan’ny apostoly, ka hivily ho amin’ny “angano.” (2 Timoty 4:3, 4, Fandikan-teny Katolika) I Jaona no apostoly velona farany. Nampitandrina momba an’ireny fampianaran-diso ireny izy, tamin’ny taona 98 tany ho any. Nampitandremany koa ny Kristianina fa misy “mitady hamitaka” azy ireo.—1 Jaona 2:26; 4:1, 6.

Tsy ela dia nisy olona natao hoe Ray Apostolika. Inona no nataon’izy ireo nanoloana ny fampianaran-diso? Nanaraka ny fampitandreman’ny apostoly Jaona ve izy ireo?

Iza izy ireo?

Mpanoratra boky ara-pivavahana ny “Ray Apostolika.” Mety ho nifankahalala tamin’ny iray tamin’ireo apostolin’i Jesosy izy ireo, na mety ho nianatra tamin’ny Kristianina nampianarin’ny apostoly. Niaina tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany ka hatrany antenatenan’ny taonjato faharoa izy ireo. * Anisan’izy ireo i Clément avy any Roma, Ignace avy any Antiokia, Papias avy any Hierapolia, ary Polycarpe avy any Smyrna. Nisy mpanoratra tsy nitonona anarana koa nandritra an’io vanim-potoana io, ary namoaka boky toy ny Didachè, ny Epistilin’i Barnabasy, Ny Namonoana Ani Polycarpe, ary ny taratasy faharoan’i Clément.

Sarotra ankehitriny ny mitsara hoe tena mifanaraka amin’ny fampianaran’i Jesosy ve ny fampianaran’ireo Ray Apostolika. Tsy isalasalana fa ny hiaro na hampiely ny fivavahana kristianina no tanjon’izy ireo. Nanameloka ny fanompoan-tsampy sy ny fitondran-tena maloto izy ireo. Nino izy ireo fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy ary efa natsangana tamin’ny maty. Tsy nahasakana ny fielezan’ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana anefa izy ireo. Toy ny hoe nandoto ilay rano madio kosa aza ny sasany, satria nampianatra zavatra diso.

Fanovana kely fotsiny ve?

Nifanohitra tamin’ny fampianaran’i Kristy sy ny apostoliny ny zavatra sasany nampianaran’ireo Ray Apostolika. Nampianatra, ohatra, ilay mpanoratra ny Didachè fa ny divay no tokony hampandalovina alohan’ny mofo, amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Tsy izany mihitsy anefa no nampianarin’i Jesosy. (Matio 26:26, 27) Nilaza koa ilay mpanoratra fa efa ampy ny mandraraka rano eo ambony lohan’ny olona atao batisa, raha tsy misy rano azo androbohana azy. (Marka 1:9, 10; Asan’ny Apostoly 8:36, 38) Nambarany koa fa tsy maintsy mifady hanina indroa isan-kerinandro ny Kristianina, ary manao ‘Rainay any An-danitra’ intelo isan’andro.—Matio 6:5-13; Lioka 18:12.

I Ignace indray nampianatra fa tokony hovana ny fomba hitondrana ny fiangonana kristianina, ka eveka iray no hitondra azy io ho “solontenan’Andriamanitra.” Io eveka io no hifehy ny pretra. Nisy fampianaran-diso maro be hafa niforona, vokatr’ireo fanovana rehetra ireo.—Matio 23:8, 9.

Fanitarana, fahafatesana ho maritiora, ary fanompoan-tsampy

Nanitatra ireo Ray Apostolika ka vao mainka niala tamin’ny fahamarinana. Nangetaheta ny fahamarinana, ohatra, i Papias, ary naka hevitra tao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Tetsy an-danin’izany anefa, dia nino izy fa amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy dia hisy sampany 10 000 ny voaloboka, ny sampany tsirairay indray hisy rantsany 10 000, ny rantsany tsirairay hisy tahony 10 000, ny tahony tsirairay hamoaka sampahony 10 000, ny sampahony tsirairay hamokatra voaloboka 10 000, ary ny voaloboka tsirairay hahazoana divay 1 000 litatra.

Ahoana ny amin’i Polycarpe? Marina fa naleony maty maritiora toy izay hivadi-pinoana. Voalaza koa fa nampianarin’ireo apostoly sy ny olon-kafa nahafantatra an’i Jesosy izy. Nampiasa andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly izy, ary niezaka nanaraka ny fitsipika kristianina.

Tia loatra azy anefa ny olona sasany, ka nankamasina azy toy ny sampy. Milaza ny boky Ny Namonoana Ani Polycarpe fa may erỳ ireo “mpino” haka ny fatiny. Nihevitra izy ireo fa “sarobidy noho ny firavaka tsara tarehy indrindra sy madio noho ny volamena” ny taolan’i Polycarpe. Tena niparitaka toy ny poizina ao anaty rano àry ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana.

Boky tsy anisan’ny Baiboly

Nisy boky tsy anisan’ny Baiboly nefa neken’ny Ray Apostolika sasany hoe avy amin’ny fanahy masina. Nampiasa ny bokin’ny Fahendrena sy ny Jodita, ohatra, i Clément avy any Roma. Naka hevitra tao amin’ny bokin’i Tobia koa ny mpanoratra Ny Epistilin’i Polycarpe mba hanaporofoana fa ho avotra ny ain’ny olona manao asa soa.

Nisy filazantsara sandoka nitantara zavatra tsy marina momba ny fiainan’i Jesosy, tamin’ny taonjato faharoa. Matetika anefa ireo Ray Apostolika no naka andinin-teny avy tao. Nampiasa an’ilay antsoina hoe Filazantsaran’ny Hebreo, ohatra, i Ignace. Hoy koa ny boky iray, momba an’i Clément avy any Roma: “Toa tsy avy amin’ireo Filazantsara no nahalalan’i Clément an’i Kristy, fa avy amin’ireo boky tsy anisan’ny Baiboly.”

Nirongatra ny fampianaran-diso

Nampiasa angano sy finoanoam-poana ary filozofia ireo Ray Apostolika mba hanazavana ny finoana kristianina. Vao mainka nampirongatra ny fampianaran-diso izany. Angano momba ny vorona iray, ohatra, no nentin’i Clément nanaporofoana ny fitsanganana amin’ny maty. Voalaza mantsy fa na dia efa may sy lasa lavenona aza ilay vorona, dia nitsangana indray tatỳ aoriana. Nisy ifandraisany tamin’ny fivavahana tamin’ny masoandro io vorona io, tany Ejipta.

Anisan’ny nanivaiva ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina koa ny mpanoratra ny Epistilin’i Barnabasy. Nolazainy fa fanoharana fotsiny ny Lalàn’i Mosesy. Nilaza izy fa ny olona mandinika ny Tenin’Andriamanitra no mifanitsy amin’ireo biby madio, izay mandinika sy mivaky kitro. Toy izao no nanazavany ny hoe mivaky kitro: Olo-marina “miaina eto amin’ity tontolo ity” sady miandrandra mafy ny hiaina any an-danitra. Tsy mifanaraka amin’ny Baiboly izany fanazavana izany.—Levitikosy 11:1-3.

Marina ny tenin’ny apostoly Jaona

Nampitandrina toy izao ny apostoly Jaona, tamin’ny taonjato voalohany: “Ry malala, aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa eo amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 4:1) Tena marina ny teniny!

Maro tamin’ireo nilaza ho Kristianina no niala tamin’ny fampianaran’i Jesosy sy ny apostoliny, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany. Vao mainka nanampy trotraka an’izany ireo Ray Apostolika. Nafangaron’izy ireo tamin’ny poizin’ny fampianaran-diso ny rano madion’ny fahamarinana. Hoy ny apostoly Jaona momba ny olona toy izany: “Izay rehetra mihoa-pefy ka tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra.” (2 Jaona 9) Mazava tsara amin’ireo olona tena mitady ny fahamarinana izany fampitandremana izany, na ankehitriny na taloha.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Rain’ny Eglizy kosa no niantsoana an’ireo mpanoratra sy teolojianina ary filozofa niaina teo anelanelan’ny taonjato faharoa sy fahadimy.

[Teny notsongaina, pejy 29]

Nampiditra finoanoam-poana sy angano ary filozofia tao amin’ny boky nosoratany ireo Ray Apostolika, toa an’i Clément

[Sary, pejy 28]

Naleon’i Polycarpe maty maritiora

[Sary nahazoan-dalana]

The Granger Collection, New York