Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Nahita ve Ilay Sambofiaran’i Noa?

Nisy Nahita ve Ilay Sambofiaran’i Noa?

Nisy Nahita ve Ilay Sambofiaran’i Noa?

MALAZA be indraindray hoe misy olona mikaroka ny sambofiaran’i Noa. Tsy mahagaga izany. Tena niavaka mantsy io sambo goavana io. Tao no nipetrahan’i Noa sy ny fianakaviany nandritra ny Safodrano, tamin’ny taona 2370-2369 Talohan’i Kristy (T.K.). Mbola karohina mafy anefa izy io hatramin’izao. Maro ny tombantombana sy ny zavatra mampitolagaga resahin’ny olona momba azy io. Inona anefa no tena zava-misy?

Milaza ny Baiboly fa “tafapetraka teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata” ny sambofiaran’i Noa. (Genesisy 8:4) Any amin’ny ilany atsinanan’i Torkia, akaikin’ny sisin-tanin’i Armenia sy Iran, no misy an’i Ararata. Antsoina hoe Tendrombohitra Ararata ilay tandavan-tendrombohitra ao.

Maro no efa nandeha tany mba hikaroka ny sambofiara. Nilaza ho nahita zavatra mahaliana izy ireo. Ny sasany nampiseho sary mahavariana, nalaina avy eny ambony fiaramanidina. Ny hafa indray nampiseho sombin-kazo voarakotra godorao. Nisy koa nilaza fa nahita an’ilay sambo mihitsy. Tsy nahafa-po anefa izany rehetra izany, ka mbola mikaroka foana ny olona na dia sarotra aza ilay izy. Avo be mahatratra 4 600 metatra mantsy ilay toerana heverina fa nipetrahan’ilay sambo. Misy korontana ara-politika koa any amin’ilay faritra, ka matetika no tsy mahazo alalana ho any amin’ilay tendrombohitra ny vahiny.

Na eo aza izany, dia maniry hahita an’ilay sambo foana ny mpikaroka. Mbola misy ampahany tsy simba, hono, mantsy amin’ilay sambo, saingy rakotry ny ranomandry. Manantena izy ireo fa hahita izany raha miverina any, amin’ny andro mafana.

Mino izy ireo fa hahita an’ilay sambo satria maro no nilaza fa efa nahita azy io. Nanoratra, ohatra, i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tatỳ amin’ny taonjato voalohany, fa nisy mpahay tantara maromaro nilaza hoe mbola hita ao amin’ny faritr’i Ararata ilay sambo. Anisan’izany i Bérose, mpanoratra babylonianina tamin’ny taonjato fahatelo T.K. Nisy mihitsy aza, hono, naka sombin-kazo tamin’ilay sambo mba hatao fahatsiarovana.

Nisy nilaza zavatra nanaitra koa tamin’ny taonjato faha-20, ka anisan’izany ny lehilahy armenianina iray atao hoe George Hagopian. Nilaza izy fa niaraka tamin’ny dadatoany nijery an’ilay sambo taoriana kelin’ny taona 1900, ary niakatra teo ambonin’ilay izy mihitsy. Mbola kely izy tamin’izany. Maty tamin’ny 1972 i Hagopian, nefa mbola manitikitika ny sain’ny olona maro ny zavatra nolazainy.

Tena manamafy ny finoana ve?

Efa nahita na mbola hahita ny sambofiara ve ny mpikaroka? Angamba. Tsy azo inoana loatra anefa izany. Tsy lazain’ny Baiboly mantsy hoe taiza marina no tafapetraka ilay sambo rehefa ritra ny ranon’ny Safodrano. Lazainy fotsiny hoe “teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata.”

Mihevitra avy hatrany àry ireo mpikaroka fa ny toerana avo indrindra ao amin’ny Tendrombohitra Ararata ilay izy. Tsy milaza anefa ny Soratra Masina hoe io toerana io no nametrahan’Andriamanitra an’ilay sambo. Tena mamirifiry sy avo be mantsy ilay toerana satria efa ho dimy kilaometatra ny haavony. * Tadidio fa mbola nijanona tao anatin’ilay sambo nandritra ny volana vitsivitsy ry Noa mianakavy, taorian’ny Safodrano. (Genesisy 8:4, 5) Ho sarotra amin’i Noa sy ireo biby maro be koa ny hidina avy eny amin’ny tendrombohitra avo be toy izany. Tsy nanana fitaovana toy ny mpianika tendrombohitra mantsy izy ireo. Azo inoana àry fa tsy teo amin’ny toerana avo be araka ny eritreretin’ny mpikaroka sasany no tafapetraka ilay sambo. Toerana tsy nampananosarotra kosa ilay izy, na dia avoavo ihany aza, araka ny Genesisy 8:4, 5. Na taiza na taiza anefa no tafapetraka ilay sambo, tsy efa lo na nisy naka ve ny hazo nandrafetana azy?

Nampiahiahy koa ny tena anton-dian’ireo mpikaroka. Lazaina fa tena ilaina eo amin’ny fivavahana ny fikarohana ataon’izy ireo. Nilaza, ohatra, ny mpikaroka iray fa raha hita ilay sambofiara dia “hanjary ho mafy orina ny finoan’ny olona an-tapitrisany ... ary maro no ho tonga mpino.” Nilaza tamin’ny mpanao gazety koa izy tamin’ny 2004, fa raha hita ilay izy, dia izany no ho “fisehoan-javatra manan-tantara indrindra taorian’ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty.” Nofoanana anefa ilay fikarohana saika hataony.

Ahoana raha hita ilay sambo? Tena hanamafy ny finoan’ny olona ve izany, na hahatonga ny sasany ho mpino? Milaza ny Baiboly fa tsy miankina amin’ny zavatra hita maso ny tena finoana. (2 Korintianina 5:7) Milaza ny olona sasany fa tsy afaka ny hino ny tantara ao amin’ny Baiboly mihitsy izy, raha tsy misy porofo hita maso. Tsy hino mihitsy anefa ny olona toy ireny na omena porofo maro be toy inona aza. Nilaza i Jesosy fa misy olona tsy hino ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly mihitsy, na mahita olona mitsangana amin’ny maty aza!—Lioka 16:31.

Tsy hoe mino befahatany koa anefa ireo manana ny tena finoana. Manana porofo marim-pototra kosa izy. (Hebreo 11:1) Misy porofo marim-pototra ve ahafahana mino fa tena nisy ny Safodrano resahin’ny Baiboly? Misy tokoa. Hoy i Jesosy Kristy: ‘Niditra tao amin’ny sambofiara i Noa. Ary tonga ny safodrano.’ (Lioka 17:26, 27) Io no porofo marim-pototra indrindra. Nahoana?

Tany an-danitra i Jesosy talohan’ny nahatongavany teto an-tany. (Jaona 8:58) Hitany ny nanorenana ny sambofiara, ary hitany koa ny Safodrano. Inona àry no porofo mampiaiky anao indrindra: Ny tenin’i Jesosy sa ny an’ny mpikaroka? I Jesosy mantsy vavolombelona nanatri-maso, ka azo atokisana ny teniny. Voaporofo koa fa Zanak’Andriamanitra izy. Ny mpikaroka kosa tsy tena azo antoka hoe nahita sombin’ilay sambo teny an-tampon-tendrombohitra rakotra ranomandry. Tsy azo lavina mihitsy àry ny porofo nomen’i Jesosy hoe tena nisy ny sambofiaran’i Noa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Volkano tsy mihetsika intsony nanomboka tamin’ny 1840 ilay antsoina ankehitriny hoe Tendrombohitra Ararata. Mahatratra 5 165 metatra ny haavony, ary rakotra ranomandry mandavantaona.

[Teny notsongaina, pejy 13]

Misy porofo mampiaiky ve fa tena nisy ilay Safodrano resahin’ny Baiboly?

[Teny notsongaina, pejy 14]

Hoy i Jesosy Kristy: ‘Niditra tao amin’ny sambofiara i Noa. Ary tonga ny safodrano’