Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana i Jesosy no nilaza hoe ‘tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta’?

Siny hoditra no fitehirizana divay tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly. (Josoa 9:13) Hodi-biby iray manontolo, toy ny an’ny osy, no nanamboarana siny hoditra. Tapahina ny lohan’ilay biby sy ny tongony, ary tsoahana hiala amin’ny hodiny ny vatany, ka tandremana tsara mba tsy hisy tataka eo amin’ny kibony. Hamainina sy karakaraina ilay hoditra avy eo, ary zairina ireo lavaka nisy ny tongony sy lohany, afa-tsy izay hatao vavan’ilay siny. Azo asiana sarony na fatorana iny vavany iny avy eo.

Tsy malefadefaka intsony ilay hoditra rehefa mandeha ny fotoana. Tsy azo notehirizina tao anaty siny hoditra efa tonta àry ny divay vaovao, satria mbola miova sy mamoaka alkaola. Ho triatra mantsy ilay siny tonta efa henjana. Malefadefaka kosa ny siny hoditra vaovao, ary mahatanty ny fiovan’ny divay vaovao mamoaka alkaola. Zavatra fantatry ny olona tamin’ny androny no nolazain’i Jesosy. Nolazainy izay mety hitranga, raha misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Hoy izy: “Hamaky ilay siny hoditra ilay divay vaovao, ka ho raraka ny divay ary ho simba ny siny hoditra. Divay vaovao no tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.”—Lioka 5:37, 38.

Iza ireo lehilahy “mpitan-tsabatra” resahina ao amin’ilay tantara momba ny nisamboran’ny Romanina an’i Paoly?

Tantarain’ny Asan’ny Apostoly fa nosamborin’ny mpitari-tafika romanina ny apostoly Paoly, nandritra an’ilay savorovoro tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Noheveriny mantsy fa mpitarika an’ireo “efatra arivo lahy mpitan-tsabatra” i Paoly. (Asan’ny Apostoly 21:30-38) Inona no fantatsika momba ireo mpitan-tsabatra ireo?

Avy amin’ny teny latinina hoe sicarii, izay midika hoe “mpampiasa sica” na sabatra, ilay teny grika nadika hoe “mpitan-tsabatra.” Milaza i Flavius Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, fa antokona Jiosy tia tanindrazana ny Sicarii, ary nafana fo tafahoatra. Mpamono olona kalazalahy izy ireo ary nanohitra ny Romanina foana.

Tantarain’i Josèphe fa “namono olona teo afovoan-tanàna, tamin’ny andro antoandro”, ny Sicarii. “Mandritra ny fety no tena fanaovany izany. Niharoharo tao anaty vahoaka izy ireo, ary notsatohany tamin’ny sabatra nafeniny tany anaty akanjony ny fahavalony.” Mba tsy hahatratrarana azy, dia mody tezitra izy rehefa maty ilay olona nasiany. Nilaza koa i Josèphe fa ny Sicarii no tena nitarika ny fikomian’ny Jiosy tamin’ny Romanina, tamin’ny taona 66-70. Natahotra àry ilay mpitari-tafika romanina tamin’izy nisambotra an’ilay noheverina ho mpitarika olona toy izany.

[Sary, pejy 15]

Siny hoditra efa tonta

[Sary, pejy 15]

Sarina lehilahy mitan-tsabatra