Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

6 Tena Manampy ve ny Vavaka?

6 Tena Manampy ve ny Vavaka?

6 Tena Manampy ve ny Vavaka?

ASEHON’NY Baiboly fa tena manampy ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika ny vavaka. (Lioka 22:40; Jakoba 5:13) Ho afaka mitondra soa be dia be ho antsika izy io, eo amin’ny lafiny ara-panahy, sy ara-pihetseham-po, ary ara-batana mihitsy aza. Amin’ny fomba ahoana anefa?

Diniho izao: Raha misy olona manome fanomezana ny zanakao, tokony hisaotra an’ilay olona izy sa hankasitraka an’ilay olona ao am-pony fotsiny? Tena mahasoa ny milaza izay ao am-pontsika. Raha manao izany isika, dia ho fantatsika kokoa izay ao am-pontsika ary vao mainka aza hitombo ilay fihetseham-po tsapantsika. Toy izany koa no mitranga rehefa mivavaka. Andeha isika handinika ohatra.

Vavaka fisaorana. Rehefa misaotra an’ilay Raintsika isika noho ny zava-tsoa azontsika, dia hanjary hifantoka amin’ireny zava-tsoa ireny ny saintsika. Hanjary hankasitraka kokoa isika, ary ho sambatra sy hahay hijery lafy tsaran-javatra kokoa.—Filipianina 4:6.

Ohatra: Nisaotra ny Rainy i Jesosy noho izy nihaino sy namaly ny vavaka nataony.—Jaona 11:41.

Vavaka fangataham-pamelana. Raha mangata-pamelana amin’Andriamanitra isika, dia hiasa kokoa ny feon’ny fieritreretantsika sady vao mainka hanenina isika noho ny zavatra nataontsika. Vao mainka ho tsapantsika koa fa tena ratsy ny fahotana. Tsy hahatsiaro tena ho meloka intsony isika.

Ohatra: Nivavaka i Davida mba hampisehoany fa mibebaka sy manenina izy.—Salamo 51.

Vavaka fangatahana tari-dalana sy fahendrena. Hanampy antsika hanetry tena ny fangatahana tari-dalana sy fahendrena amin’i Jehovah rehefa hanapa-kevitra. Mampahatsiahy antsika koa izany fa voafetra ihany ny zavatra vitantsika, ka mila miantehitra amin’ilay Raintsika any an-danitra isika.—Ohabolana 3:5, 6.

Ohatra: Nanetry tena i Solomona ka nangataka tari-dalana sy fahendrena mba hitondrana ny Israely.—1 Mpanjaka 3:5-12.

Vavaka amin’ny fotoam-pahoriana. Hahatsiaro ho maivamaivana isika raha mamboraka ny fahoriantsika amin’Andriamanitra. Tsy hanao izay saim-pantatsika fotsiny koa isika amin’izay, fa hiantehitra amin’i Jehovah.—Salamo 62:8.

Ohatra: Nivavaka i Asa Mpanjaka rehefa hiady tamin’ny fahavalo nampahatahotra.—2 Tantara 14:11.

Vavaka ho an’ireo mila fanampiana. Manampy antsika tsy ho tia tena ny vavaka toy izany, ary mahatonga antsika hahay hangoraka sy hiombom-pihetseham-po kokoa amin’olona.

Ohatra: Nivavaka ho an’ny mpanara-dia azy i Jesosy.—Jaona 17:9-17.

Vavaka fiderana. Hanjary hanaja sy hankasitraka kokoa an’i Jehovah isika, raha midera azy noho ny asany sy ny toetrany mahatalanjona. Hanampy antsika koa izany mba hifandray kokoa amin’ilay Andriamanitsika sady Raintsika.

Ohatra: Nidera an’Andriamanitra tamin-kafanam-po i Davida noho ny zavaboary noforoniny.—Salamo 8.

Raha mivavaka koa isika, dia hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” (Filipianina 4:7) Mahasoa ny vatantsika io fiadanana io, sady tsy fahita firy eto amin’ity tontolo mikorontana ity. (Ohabolana 14:30) Tsy avy amin’ny ezaka ataontsika samirery anefa no hahazoana azy io. Izany no horesahina manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 10]

Mitondra soa be dia be ny vavaka, na eo amin’ny ara-batana na ara-pihetseham-po, ary indrindra fa eo amin’ny ara-panahy