Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Nampitony An’i Jehovah” Izy

“Nampitony An’i Jehovah” Izy

Manatòna An’Andriamanitra

“Nampitony An’i Jehovah” Izy

“NAHATSIARO tena ho tsy mendrika aho”, hoy ny lehilahy iray. Nialany mantsy ny fitsipik’Andriamanitra nitaizana azy. Nibebaka izy ka niova, saingy natahotra sao tsy havelan’Andriamanitra intsony ny helony. Velom-panantenana anefa izy rehefa namaky ny tantaran’i Manase ao amin’ny 2 Tantara 33:1-17. Mety hampahery anao koa io tantara io raha nanao fahotana ianao taloha, ka mahatsiaro tena ho tsy mendrika.

Notezain’ny fianakaviana tia an’Andriamanitra i Manase. Anisan’ny mpanjaka niavaka indrindra tao Joda i Hezekia rainy. Nohalavain’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga ny fiainan’io rainy io. Telo taona taorian’izay i Manase no teraka. (2 Mpanjaka 20:1-11) Nihevitra i Hezekia fa namindra fo taminy Andriamanitra matoa izy nahazo an’io zanany io. Nampianatra azy io ho tia ny fivavahana madio àry izy. Tsy voatery hanahaka ny ray aman-dreniny foana anefa ny zanaka. Toy izany i Manase.

Vao 12 taona monja i Manase dia maty ny rainy. Indrisy fa “nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy.” (2 Tantara 33:1, 2) Voatarik’ireo mpanolo-tsaina tsy niraharaha ny fivavahana marina ve izy? Tsy voalazan’ny Baiboly izany. Voalaza ao kosa fa lasa nanompo sampy sy nanao zavatra feno habibiana i Manase. Nanorina alitara ho an’ny andriamani-diso izy, nanao sorona ny zanany tao anaty afo, nifandray tamin’ny fanahy ratsy, ary nametraka sary sokitra tao amin’ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Nampitandrina azy imbetsaka i Jehovah. Mafy loha izy ka tsy noraharahainy mihitsy izany. Tsy ho nisy anefa izy raha tsy nanao fahagagana i Jehovah.—Andininy 3-10.

Navelan’i Jehovah nentina tany Babylona i Manase, ary nasiana gadra varahina. Afaka nisaintsaina an’izay nataony izy tany. Takany ve hoe tsy naharo azy ny sampiny tsy mananaina sy tsy manan-kery? Tsaroany ve ny zavatra nampianarina azy tamin’ny mbola kely? Na ahoana na ahoana, dia milaza ny Baiboly fa niova izy. ‘Niezaka nampitony an’i Jehovah Andriamaniny izy, ka tena nanetry tena tokoa. Ary tsy nitsahatra nivavaka tamin’Andriamanitra izy.’ (Andininy 12, 13) Tena avelan’Andriamanitra ve anefa ny heloky ny olona nanao fahotana lehibe toy izany?

Tena nibebaka i Manase ka nanohina ny fon’i Jehovah izany. Nihaino ny fitalahoany famindram-po i Jehovah, ka “nampody azy tamin’ny fanjakany tany Jerosalema.” (Andininy 13) Niezaka nanonitra ny ratsy vitany i Manase ho porofon’ny fibebahany. Nesoriny ny fanompoan-tsampy, ary nampirisihany “hanompo an’i Jehovah” indray ny olona.—Andininy 15-17.

Raha mahatsiaro ho tsy mendrika hahazo famelan-keloka àry ianao noho ny fahotana nataonao taloha, dia tadidio ny tantaran’i Manase. Anisan’ny Tenin’Andriamanitra mantsy io tantara io. (Romanina 15:4) Tian’i Jehovah ho fantatsika fa “vonona hamela heloka” izy. (Salamo 86:5) Ny toe-pon’ilay olona nanota no tena jeren’i Jehovah, fa tsy ny haben’ilay fahotana. Raha manenina mafy ilay nanota, ka mivavaka sy tsy manao ratsy intsony ary miezaka manao izay tsara, dia mety ‘hampitony an’i Jehovah’, toy ny nataon’i Manase.—Isaia 1:18; 55:6, 7.

Famakiana Baiboly amin’ny Janoary:

2 Tantara 29Ezra 10