Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa Andriamanitra?

Iza moa Andriamanitra?

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Iza moa Andriamanitra?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Iza moa Andriamanitra?

Mpamorona ny zava-drehetra ilay Andriamanitra marina. Antsoin’ny Baiboly hoe “Mpanjakan’ny mandrakizay” izy, izany hoe tsy nanam-piandohana sady tsy hanam-piafarana. (Apokalypsy 15:3) Izy irery ihany no tokony hivavahantsika, satria izy no Loharanon’aina.—Vakio ny Apokalypsy 4:11.

2. Hoatran’ny ahoana izy?

Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra satria Fanahy izy, izany hoe ambony noho ny zavaboary eto an-tany. (Jaona 1:18; 4:24) Hita amin’ny zavatra noforoniny ny toetrany. Rehefa mandinika an’ireo karazana voankazo sy voninkazo, ohatra, isika dia mahita fa hendry sy be fitiavana izy. Hita amin’izao rehetra izao midadasika koa fa mahery izy.—Vakio ny Romanina 1:20.

Mbola afaka mahalala bebe kokoa ny toetran’Andriamanitra isika ao amin’ny Baiboly. Resahiny ao, ohatra, izay tiany sy tsy tiany, ny fomba hitondrany ny olona, ary izay ataony amin’ny toe-javatra isan-karazany.—Vakio ny Salamo 103:7-10.

3. Manana anarana ve izy?

Hoy i Jesosy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Manana anaram-boninahitra maro Andriamanitra, fa iray ihany no tena anarany. Samy manana ny fomba fanononany azy ny firenena tsirairay. Matetika ny Malagasy no milaza hoe “Jehovah” na “Iaveh.”—Vakio ny Salamo 83:18.

Nesorina tao amin’ny Baiboly maro ny anaran’Andriamanitra ary nosoloana hoe Tompo na Andriamanitra. Tamin’ny vao nosoratana anefa ny Baiboly, dia niseho tao im-7 000 teo ho eo ilay anarany. Nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra i Jesosy ka nampiasa azy io rehefa nanazava ny Tenin’Andriamanitra. Nampiany hahalala an’Andriamanitra ny olona.—Vakio ny Jaona 17:26.

4. Miahy antsika ve i Jehovah?

Mihevitra antsika i Jehovah, ka izy mihitsy no mihaino ny vavaka ataontsika. (Salamo 65:2) Ny fisian’ny fijaliana be dia be ve anefa midika fa tsy miahy antsika izy? Misy milaza fa mampijaly antsika izy mba hitsapana antsika. Tsy marina anefa izany, satria hoy ny Baiboly: “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy.”—Joba 34:10; vakio ny Jakoba 1:13.

Nihevitra antsika Andriamanitra, ka nanome antsika safidy malalaka. Afaka misafidy ny hanompo azy àry isika. Tsy faly ve isika noho izany? (Josoa 24:15) Betsaka ny fijaliana satria mifidy ny hanisy ratsy ny hafa ny olona maro. Malahelo i Jehovah mahita an’izany tsy rariny izany.—Vakio ny Genesisy 6:5, 6.

Kely sisa dia hampiasa an’i Jesosy i Jehovah, mba hanafoana ny fijaliana sy izay mahatonga izany. Misy antony anefa matoa avelany hisy vetivety aloha ny fijaliana. Hanazava ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ity andian-dahatsoratra ity, ao aoriana kely ao.—Vakio ny Isaia 11:4.

5. Inona no tiany hataontsika?

Noforonin’i Jehovah ho afaka ny hahalala sy hitia azy isika. Tiany hahafantatra ny marina momba azy mantsy isika. (1 Timoty 2:4) Raha mianatra Baiboly àry isika, dia ho fantatsika Andriamanitra ary ho lasa namantsika.—Vakio ny Ohabolana 2:4, 5.

Tokony ho tiantsika mihoatra noho ny olon-kafa rehetra Andriamanitra, satria izy no nanome aina antsika. Asehontsika aminy fa tiantsika izy raha mivavaka aminy sy manao izay asainy atao isika. (Ohabolana 15:8) Milaza i Jehovah fa tokony ho tia ny hafa isika.—Vakio ny Marka 12:29, 30; 1 Jaona 5:3.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 1, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 17]

Misy antony tsara ve matoa navela hisy vetivety ny fijaliana?