Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Anaran’Andriamanitra sy ny Ezaka Nataon’i Alfonso de Zamora

Ny Anaran’Andriamanitra sy ny Ezaka Nataon’i Alfonso de Zamora

Ny Anaran’Andriamanitra sy ny Ezaka Nataon’i Alfonso de Zamora

I ZAO no didy navoakan’i Ferdinand sy Isabella, mpanjaka sy mpanjakavavin’i Espaina, tamin’ny 1492: “Mandidy ny Jiosy rehetra izahay, na lahy na vavy ... mba hiala amin’ny faritra rehetra anjakanay, amin’ny faran’ny volana Jolay amin’ity taona ity. Ento miaraka aminareo koa ny zanakareo sy ny mpiasanareo, na lahy na vavy, na kely na lehibe, na firy taona na firy taona. Dia aza miverina atỳ intsony raha tsy te hahita faisana.”

Nomena safidy ny fianakaviana jiosy rehetra tamin’izay hoe: Halefa sesitany na hiala amin’ny fivavahany. Nihevitra angamba ny mpitondra fivavahana jiosy atao hoe Juan de Zamora fa tsara kokoa raha miova ho Katolika izy. Amin’izay izy afaka mijanona ao Espaina, izay tanàna nipetrahan’ny razambeny efa an-taonany maro. Afaka nampianatra an’i Alfonso zanany lahy tany amin’ny sekoly nalaza iray, fianarana teny hebreo, izy satria Jiosy. Nandalina ny teny latinina sy grika ary aramianina koa i Alfonso, tatỳ aoriana. Rehefa vita ny fianarany, dia nampianatra teny hebreo tao amin’ny Oniversiten’i Salamanca izy. Nampiasa tsara ny fahaizany fiteny maro izy tsy ela tatỳ aoriana, ka nandray soa avy tamin’izany ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly eran’i Eoropa.

Nofidin’ny oniversite vaovao iray tany Alcalá de Henares hiandraikitra ny fikarohana momba ny teny hebreo i Alfonso de Zamora, tamin’ny 1512. Anisan’ireo manam-pahaizana ambony indrindra tamin’izany izy. Nandresy lahatra azy àry ny kardinaly Jiménez de Cisneros, izay nanorina an’ilay oniversite, mba hanampy tamin’ny tetikasa lehibe iray. Tsy inona izany fa ny fandikana an’ilay Baiboly misy fiteny maro antsoina hoe Polyglotte de Complute. Misy boky enina izy io, ary amin’ny teny hebreo sy grika ary latinina. Misy ampahany amin’ny teny aramianina koa ao. *

Hoy i Mariano Rico, manam-pahaizana momba ny Baiboly, mahakasika an’io tetikasa io: “I Alfonso de Zamora no nalaza indrindra tamin’ireo Jiosy telo niova finoana, izay nandray anjara tamin’ilay tetikasan’ny Kardinaly [Cisneros]. Nanam-pahaizana momba ny teny latinina, grika, hebreo, ary aramianina izy. Nanam-pahaizana momba ny fitsipi-pitenenana sy Talmoda koa izy sady filozofa.” Ny fianarana nataon’i Zamora no nahatonga azy hilaza fa tokony hahay tsara ny fiteny tany am-boalohany ireo mpandika teny, mba ho marina tsara ny fandikan-teniny. Anisan’ireo nampirisika ny olona handalina ny Baiboly mihitsy aza izy, ka nanomboka niroborobo izany tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-16.

Nahita olana anefa i Zamora, noho izy nampirisika ny olona handalina ny Baiboly. Nanan-kery mantsy ny Fitsarana Katolika Espaniola, ary ny Vulgate latinina ihany no Baiboly nolazain’ny Eglizy Katolika fa “azo ekena.” Efa hatramin’ny taona 500-1500 tany ho any anefa ireo manam-pahaizana katolika no nahamarika fa be diso io Baiboly io. Nanomboka nitady hevitra hanitsiana azy io àry i Alfonso de Zamora sy ny manam-pahaizana hafa, tany am-piandohan’ny taonjato faha-16.

‘Ilaina ny fandikan-teny mba hahazoana famonjena’

Anisan’ny tetikasa nandraisan’i Zamora anjara ny Soratra Hebreo, antsoina matetika hoe Testamenta Taloha, izay misy dikan-teny amin’ny teny latinina. Azo antoka fa izy io no tetikasa lehibe indrindra. Nieritreritra angamba izy fa hampiasaina be izy io rehefa hatao ilay Polyglotte de Complute. Misy iray amin’ireo boky nosoratany any amin’ny fitehirizam-bokin’i El Escorial, akaikin’i Madrid, any Espaina. Nomena laharana hoe G-I-4 izy io, ary voarakitra ao ny bokin’ny Genesisy manontolo amin’ny teny hebreo, sy ny dikan’izy io ara-bakiteny isan’andalana amin’ny teny latinina.

Izao no voalaza ao amin’ny sasin-tenin’izy io: “Tokony hadika amin’ny fiteny hafa ny Soratra Masina mba hahazoan’ny firenena famonjena. ... Hitanay ... fa tena mila fandikan-tenin’ny Baiboly ara-bakiteny ireo olona tsy mivadika, ka tokony hadika amin’ny teny latinina ny teny tsirairay amin’ny teny hebreo.” I Alfonso de Zamora no tena nanana fahaizana hamitana an’izany, satria izy no nalaza ho manam-pahaizana momba ny teny hebreo.

“Tsy mahita fiadanana mihitsy aho”

Tany Espaina, tamin’ny taonjato faha-16, no toerana nety tsara hiasan’ny manam-pahaizana toa an’i Zamora. Tany mantsy no tena foiben’ny kolontsaina jiosy teo anelanelan’ny taona 500 sy 1500 tany ho any. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Be Silamo sy Jiosy tany Espaina tamin’ny Moyen Âge, ka tany irery no nisy olona maro avy amin’ny firazanana sy fivavahana samy hafa, tany Eoropa andrefana. Izany no nampandroso an’i Espaina teo amin’ny resaka fivavahana, haisoratra, zavakanto, ary tao-trano, tamin’ny faramparan’ny Moyen Âge.”

Be dia be mihitsy ny Baiboly sora-tanana tamin’ny teny hebreo tany Espaina, satria be dia be ny Jiosy nipetraka tany. Niezaka mafy nanao dika mitovy azy ireny ireo mpanoratra jiosy tany amin’ny faritra maro tany Espaina, mba hovakina ampahibemaso tany amin’ny synagoga. Hoy i L. Goldschmidt, tao amin’ilay bokiny hoe Fanontana Voalohany ny Baiboly Hebreo (anglisy): “Tamin’ireo manam-pahaizana Jiosy, dia tsy ireo Boky Dimy Voalohany tamin’ny teny espaniola sy portogey ihany no tena nalaza hoe marina tsara, fa ireo boky sora-tanana nanaovana pirinty azy ireny sy ireo boky misy fiteny maro koa.”

Marina fa toerana nety tsara hiasan’ny manam-pahaizana i Espaina, kanefa lasa niharan’ny fanoherana ireo naniry handika Baiboly. Nandresy an’ilay faritra farany nisy Silamo tany Espaina ny tafika katolikan’i Ferdinand Mpanjaka sy Isabella Mpanjakavavy, tamin’ny 1492. Tamin’io taona io ihany, araka ny voalaza terỳ am-piandohana, no namoaka didy ireo mpanjaka hoe nila niala tany Espaina izay rehetra nanaraka ny fivavahana jiosy. Nisy didy nandroaka ny Silamo koa folo taona tatỳ aoriana. Lasa fivavaham-panjakana tany Espaina ny Fivavahana Katolika nanomboka tamin’izay, ka voarara ny fivavahana hafa.

Nisy vokany tamin’ny fandikana Baiboly izany. Ohatra amin’izany izay nitranga tamin’i Alfonso de Zamora. Marina fa niova ho Katolika io manam-pahaizana io. Tsy neken’ny mpitondra fivavahana espaniola anefa izany, noho izy Jiosy. Nokianin’ny mpanohitra sasany ny Kardinaly Cisneros, noho izy nampiasa manam-pahaizana jiosy niova fivavahana, mba hanaovana an’ilay Baiboly misy fiteny maro. Nijaly be i Zamora vokatr’ireo fanoherana ireo. Nitaraina toy izao izy tao amin’ny boky iray any amin’ny Oniversiten’i Madrid: ‘Nandao sy nankahala ahy ny namako, izay lasa fahavaloko. Tsy mahita fiadanana mihitsy aho.’

Anisan’ny tena fahavalony i Juan Tavera, eveka any Tolède. Lasa lehiben’ny mpanao famotorana izy io tatỳ aoriana. Tena nahakivy an’i Zamora ny zavatra nataon’i Juan, ka nitaraina tany amin’ny papa mihitsy izy. Izao no anisan’ny nosoratany: “Miangavy anao izahay ry Papa Ray Masina mba hanampy anay ... ary hiaro anay amin’ilay fahavalonay, dia i Don Juan Tavera, eveka any Tolède. Tsy mitsahatra mihitsy izy isan’andro mampijaly anay amin’izao zavatra mahatsiravina rehetra izao. ... Tena mitaintaina be izahay, satria toy ny biby hovonoina izahay aminy. ... Raha mihaino an’izao fitalahoanay izao ianao ry Papa Ray Masina, dia ‘i Iaveh no ho tokinao ary hiaro ny tongotrao amin’ny fandrika rehetra izy.’ (Ohab. 3:26)” *

Lova navelan’i Alfonso de Zamora

Na teo aza ny fanoherana, dia nanohy ny asany i Zamora ary nahomby izany ka mpianatra Baiboly maro no nandray soa. Marina fa tsy nadikany tamin’ny fitenin’ny ankamaroan’ny olona tamin’ny androny ny Soratra Masina. Tena nanampy ny mpandika teny hafa anefa izy. Nisy karazana manam-pahaizana roa nilaina mantsy rehefa handika Baiboly. Voalohany, tsy maintsy nisy manam-pahaizana nandinika ny Soratra Masina tamin’ny fiteny tany am-boalohany, izany hoe tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika. Amin’izay izy ireo afaka manatsara an’ilay fandikan-teny amin’ny fomba marina tsara, amin’ireo fiteny ireo ihany. Iny avy eo no ampiasain’ny mpandika teny hafa mba handikana ny Soratra Masina amin’ny fitenin’ny olona.

I Alfonso de Zamora no manam-pahaizana tena nanomana sy nanatsara ny Soratra Hebreo. Navoaka tao amin’ilay Polyglotte de Complute izany tamin’ny farany, tamin’ny 1522. (Nanamora ny asan’ny mpandika teny koa ny voambolana hebreo sy latinina nampiasainy tao, ary ny fitsipi-pitenenana hebreo hita ao.) I Erasmus, izay niara-niaina tamin’i Zamora, no nanao toy izany tamin’ny Soratra Grika Kristianina, izay antsoina matetika hoe Testamenta Vaovao. Raha vao vita ireo Soratra Hebreo sy Grika nohatsaraina ireo, dia efa afaka nandika ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny besinimaro ny mpandika teny. I William Tyndale no anisan’ny mpandika teny nampiasa voalohany an’ilay Soratra Hebreo ao amin’ilay Polyglotte de Complute, rehefa nandika ny Baiboly tamin’ny teny anglisy izy.

Matoa miely be toy izao ankehitriny ny Baiboly, dia noho ny asa mafy nataon’ny lehilahy sasany toa an’i Zamora. Nanokana ny fiainany tamin’ny fandikana ny Soratra Masina izy ireny mba hahatakarantsika kokoa azy io. Takatr’i Zamora fa nila nahafantatra ny Tenin’Andriamanitra sy nankatò azy io ny olona raha te ho voavonjy. (Jaona 17:3) Midika izany fa mila adika amin’ny fiteny hain’ny olona ny Baiboly. Amin’izay ihany mantsy vao hanohina ny fon’ny olona maro sy hampisaintsaina azy ireo ny hafatra ao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Misy fanazavana momba an’ilay Polyglotte de Complute ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2004, pejy 28-31.

^ feh. 15 Mahaliana ny hoe nampiasa ny anaran’Andriamanitra, fa tsy anaram-boninahitra, i Zamora rehefa nila vonjy tamin’ny papa. Ilay anarana hoe “Iaveh” no ao amin’ilay fandikan-teny amin’ny teny espaniola. Tsy tena fantatra izay nanoratana azy io tamin’ny teny latinina tany am-boalohany. Manazava ny fandikan-tenin’i Zamora sy ny nampiasany ny anaran’Andriamanitra ilay efajoro hoe “Fomba Nandikana ny Anaran’Andriamanitra”, eo amin’ny pejy 19.

[Efajoro/Sary, pejy 19]

Fomba Nandikana ny Anaran’Andriamanitra

Tena mahaliana ny fomba nandikan’i Alfonso de Zamora ny anaran’Andriamanitra. Hita eo amin’ilay sary eto fa misy ny anaran’Andriamanitra hoe “jehovah” eo amin’ilay fanamarihana eo amin’ny sisim-pejy, rehefa nandika isan’andalana ny bokin’ny Genesisy tamin’ny teny hebreo sy latinina izy.

Hita arak’izany fa neken’i Zamora io fomba nandikana ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny latinina io. Nampiasa azy io na teny mitovitovy amin’izy io ny mpandika teny maro, rehefa nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny fampiasan’ny Eoropeanina, tamin’ny taonjato faha-16. Anisan’izany i William Tyndale (Anglisy, 1530), Sebastian Münster (Latinina, 1534), Pierre-Robert Olivétan (Frantsay, 1535), ary Casiodoro de Reina (Espaniola, 1569).

Anisan’ireo manam-pahaizana voalohany tamin’ny taonjato faha-16, izay nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra, àry i Zamora. Lasa tsy fantatry ny olona mantsy ny anaran’Andriamanitra, satria ninonino foana ny Jiosy hoe tsy azo tononina ny anarany. Noho io finoanoam-poana io, ohatra, no nahatonga an’i Jérôme, mpandika ny Vulgate latinina, hanolo ny anaran’Andriamanitra tamin’ny hoe “Tompo” na “Andriamanitra.”

[Sary]

Ireo litera hebreo efatra nadikan’i Zamora hoe “Jehovah”, raha jerena akaiky

[Sary, pejy 18]

Didy navoakan’ny mpanjaka sy mpanjakavavin’i Espaina, 1492

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Didy: Courtesy of the Archivo Histórico Provincial, Ávila, Spain

[Sary, pejy 18]

Oniversiten’i Alcalá de Henares

[Sary, pejy 21]

Fonon’ilay fandikan-teny isan’andalana nataon’i Zamora