Toetra Takin’Andriamanitra ny Hatsaram-panahy
MISIONERA tany Japon ny lehilahy zokiolona iray. Mbola tsy dia nahay niteny japoney tsara izy tamin’izy vao tonga kelikely tany. Gaga anefa ny tovolahy japoney iray fa tena tsara fanahy be io misionera io. Tonga tany an-tranony foana mantsy izy isan-kerinandro mba hampianatra Baiboly azy. Sady sariaka izy no tsara fanahy rehefa namaly ny fanontanian’ilay tovolahy rehetra.
Tsara fanahy be ilay misionera ka tsy hadinon’ilay tovolahy mihitsy izany. Hoy izy: ‘Raha ny Baiboly no nahatonga an’iny lehilahy iny ho tsara fanahy sy be fitiavana, dia tokony hianatra azy io koa aho.’ Nianatra Baiboly àry izy na dia vaovao be taminy aza izany. Hita amin’izany fa manohina ny fon’ny olona ny hatsaram-panahy, ary misy vokany kokoa noho ny teny aza izy io.
Toetran’Andriamanitra izy io
Efa voajanahary amintsika ny hoe tsara fanahy amin’ny havantsika na namantsika. Toetran’Andriamanitra koa anefa izy io. Nilaza i Jesosy fa tsy hoe tsara fanahy amin’izay tia azy fotsiny ilay Rainy any an-danitra, fa “amin’izay tsy mankasitraka” koa. Nampirisihin’i Jesosy àry ny mpanara-dia azy hoe: “Tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary.”—Lioka 6:35; Matio 5:48; Eksodosy 34:6.
Nataon’Andriamanitra araka ny endriny, izany hoe mitovy toetra aminy, ny olombelona. (Genesisy 1:27) Afaka manahaka ny toetrany àry isika, ka ho tsara fanahy amin’ny olona tsy havantsika koa. Milaza ny Baiboly fa anisan’ny vokatry ny fanahy masina, na hery ampiasain’Andriamanitra, ny hatsaram-panahy. (Galatianina 5:22) Ho tsara fanahy àry isika raha mianatra momba an’Andriamanitra Mpamorona, ary mifandray tsara aminy.
Efa anisan’ny toetran’olombelona ny hoe tsara fanahy sady toetra tena tian’Andriamanitra. Izany no mahatonga azy hilaza hoe: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy.’ (Efesianina 4:32) Ampahatsiahivina koa isika mba tsy hanadino “ny fitiavana mandray vahiny”, na ho tsara fanahy amin’ny olona tsy fantatra.—Hebreo 13:2.
Ratsy fanahy sy tsy mahay mankasitraka anefa ny olona eto amin’ity tontolo ity. Ho vitantsika àry ve ny ho tsara fanahy, na dia amin’ny olona tsy fantatsika aza? Inona no hanampy antsika hahavita izany? Nahoana no tokony ho zava-dehibe amintsika ny ho tsara fanahy?
Toetra tena tian’Andriamanitra izy io
Hoy ny apostoly Paoly rehefa avy nilaza izy fa ilaina ny mahay mandray vahiny: “Noho izany, dia nampiantrano anjely ny sasany nefa tsy fantany.” Hanao ahoana ny fihetseham-ponao raha asaina mampiantrano anjely ianao? Mariho fa nilaza i Paoly hoe tsy fantatr’ireo olona nandray vahiny akory fa anjely no nampiantranoiny. Te hilaza àry izy fa mety handray fitahiana tsy ampoizina isika raha tsara fanahy foana, eny fa na amin’ny olona tsy dia fantatsika na tena tsy fantatsika mihitsy aza.
Maro ny Baiboly misy fanondroana andininy, mampifandray an’ireo tenin’i Paoly ireo amin’ny nataon’i Abrahama sy Lota. Samy nampiantrano olona tsy fantany izy mianaka. Anjely anefa ireo olona ireo ary hampita hafatra lehibe no anton-diany. Ny anjely niseho tamin’i Abrahama, ohatra, nilaza fa ho tanteraka Genesisy 18:1-10; 19:1-3, 15-17.
ny tenin’Andriamanitra taminy hoe hanan-janakalahy izy. Ny anjely niseho tamin’i Lota kosa nilaza fa horinganina tsy ho ela ny tanànan’i Sodoma sy Gomora ary hovonjena izy mianakavy kely.—Voalazan’ireo andinin-teny ireo fa olona sendra nandalo no nanehoan’i Abrahama sy Lota hatsaram-panahy. Marina fa efa fomban’ny olona fahiny ny nampiantrano mpanao dia lavitra sy vahiny nandalo, na namana izany, na havana, na olona tsy fantatra. Noraisiny ho adidy mihitsy izany. Nandidy ny Israelita koa ny Lalàn’i Mosesy, mba hikarakara izay ilain’ny olona tsy Israelita nonina teo amin’ny taniny. (Deoteronomia 10:17-19) Efa maty ela be i Abrahama sy Lota vao nisy izany lalàna izany, nefa mihoatra noho izany no nataon’izy ireo. Niezaka mafy izy ireo mba ho tsara fanahy tamin’ny olona tsy fantany ka nahazo fitahiana.
Nahazo zanakalahy i Abrahama satria tsara fanahy. Mitondra soa ho antsika koa anefa ny nataony. Nahoana? Nandray anjara be tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra i Abrahama sy Isaka zanany. Anisan’ny razamben’ny Mesia, dia i Jesosy, izy ireo. Samy nankatò an’Andriamanitra foana koa izy ireo. Hita tamin’ny zavatra nataon’izy mianaka hoe ahoana no hamonjen’i Jehovah ny olombelona atỳ aoriana, rehefa haneho ny fitiavany sy ny famindram-pony amin’izy ireo izy.—Genesisy 22:1-18; Matio 1:1, 2; Jaona 3:16.
Hita amin’izany fa tokony ho tsara fanahy ny mpanompon’Andriamanitra ary tena sarobidy aminy io toetra io. Tsy safidy izany satria Andriamanitra mihitsy no mitaky izany.
Manampy antsika hahafantatra kokoa an’Andriamanitra izy io
Milaza ny Baiboly fa “tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny” ny olona amin’ny androntsika. (2 Timoty 3:1-3) Mihaona amin’ny olona toy izany isika isan’andro. Tsy tokony hanakana antsika tsy ho tsara fanahy anefa izany. Hoy mantsy ny Romanina 12:17: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Manaova izay tsara eo imason’ny olona rehetra.”
Raha tsy hitanao izay holazaina na hatao, dia milazà teny mamy na asehoy amin’ny atao fa tsara fanahy ianao
Afaka miezaka ny ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra isika. Izany no ampisehoantsika fa tia azy ireo isika. Hoy ny Baiboly: ‘Izay rehetra tia dia efa mahalala an’Andriamanitra.’ (1 Jaona 4:7; 1 Korintianina 13:4) Hahalala kokoa an’Andriamanitra àry isika raha tsara fanahy. Ho sambatra isika, satria hoy i Jesosy tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra: “Sambatra ny tsara fanahy, fa izy no hanehoana hatsaram-panahy. Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.”—Matio 5:7, 8, Fandikana Ara-bakiteny ny Baiboly Masina Nataon’i Young (anglisy).
Asan’ny Apostoly 20:35) Rehefa kivy àry ianao, dia manehoa hatsaram-panahy amin’ny hafa, fa izany no zavatra tsara indrindra azonao atao.
Diniho ohatra i Aki, vehivavy tanora any Japon, manan-janaka roa lahy. Maty tampoka ny reniny ka kivy be izy. Nisy fotoana aza nandraiki-narary mihitsy izy ka tsy maintsy nanatona dokotera. Nisy vehivavy manan-janaka dimy mbola kely nifindra teny akaikiny. Maty vao haingana koa ny vadiny. Nalahelo be azy ireo i Aki ka niezaka ninamana tamin-dry zareo. Niezaka be izy nanampy an’ilay fianakaviana, ohatra hoe nanome sakafo na akanjo tsy antonona azy ireo intsony. Lasa tsy kivy be intsony àry i Aki. Hitany hoe marina mihitsy ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (“Mampisambotra an’i Jehovah”
Tsy voatery handany ron-doha na hery na vola be ianao vao afaka ny ho tsara fanahy. Afaka mitsikitsiky fotsiny, ohatra, ianao na manao teny mahafinaritra, na manome tanana, na manome fanomezana kely, na koa mamela ny hafa handeha aloha rehefa milahatra. Raha tsy hitanao indraindray izay holazaina na hatao, dia milazà teny mamy na asehoy amin’ny atao fa tsara fanahy ianao. Tena nanohina ny fon’ilay ankizilahy terỳ am-piandohana ny hatsaram-panahy nasehon’ilay misionera zokiolona, ary izany no nisy vokany kokoa noho ny teniny. Tsy mahagaga àry raha takin’Andriamanitra amin’ny mpanompony ny “ho tia hatsaram-panahy.”—Mika 6:8.
Misy fomba fiteny avy any Azia hoe: “Mampahafana mandritra ny telo volana amin’ny ririnina ny teny iray atao amim-katsaram-panahy.” Hita amin’izany fa mitondra soa be dia be ny hatsaram-panahy na dia kely fotsiny aza. Tena hampahery ny hafa ny olona tsara fanahy raha ataony amin’ny fo sy noho ny fitiavana an’i Jehovah izany. Tsy mahay mankasitraka anefa ny olona sasany na dia tsara fanahy aminy aza ianao. Na izany aza, dia tsy matiantoka ianao satria sarobidy amin’i Jehovah izany. Milaza ny Baiboly fa “mampisambotra an’i Jehovah” izay tsara fanahy. (Ohabolana 19:17) Mitadiava àry fomba hanehoana hatsaram-panahy amin’izay mifanerasera aminao.