Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANATÒNA AN’ANDRIAMANITRA

Ilay “Mpamaly Soa An’izay Mitady Mafy Azy”

Ilay “Mpamaly Soa An’izay Mitady Mafy Azy”

Zava-dehibe amin’i Jehovah ve izay ataon’ny mpanompony mba hampifaliana azy? Mety hisy hilaza hoe tsia, satria mihevitra izy fa tsy miraharaha antsika Andriamanitra. Diso hevitra anefa izy ireo satria milaza ny Baiboly hoe mankasitraka ny ezaka ataon’ny mpanompony i Jehovah. Diniho ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo 11:6.

Inona no tokony hatao mba hampifaliana an’i Jehovah? Hoy i Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” Tsy nilaza izy hoe sarotra ny mampifaly an’Andriamanitra raha tsy manam-pinoana, fa hoe tsy misy azo atao. Tena ilaina àry ny finoana mba hampifaliana an’i Jehovah.

Finoana manao ahoana no mampifaly an’i Jehovah? Zavatra roa no tafiditra amin’ny hoe finoana an’Andriamanitra. Voalohany, “tsy maintsy mino [isika] fa misy izy.” Ahoana moa no hampifalintsika an’Andriamanitra raha tsy mino isika hoe misy izy? Tsy ampy anefa izany, satria na ny demonia aza mino fa misy i Jehovah. (Jakoba 2:19) Tokony hasehontsika amin’ny atao ny finoantsika hoe misy Andriamanitra, izany hoe tokony hanana fomba fiaina mampifaly azy isika.—Jakoba 2:20, 26.

Faharoa, “tsy maintsy mino” isika fa “mpamaly soa” Andriamanitra. Ny olona tena manam-pinoana dia matoky fa tsy ho very maina ny ezaka ataony hampifaliana an’Andriamanitra. (1 Korintianina 15:58) Ahoana moa no hampifalintsika an’i Jehovah, raha tsy matoky isika hoe mahavita na maniry hamaly soa antsika izy? (Jakoba 1:17; 1 Petera 5:7) Tsy mahafantatra azy ny olona mieritreritra hoe tsy miraharaha ny hafa izy, tsy mahay mankasitraka, ary tsy malala-tanana.

Iza no omen’i Jehovah valisoa? Hoy i Paoly: “Izay mitady mafy azy.” Milaza ny boky iray ho an’ny mpandika Baiboly fa ilay matoanteny grika nadika hoe “mitady mafy”, dia tsy midika hoe “mandeha mikaroka” fa hoe “manompo” an’Andriamanitra. Manazava ny boky iray hafa fa manondro ezaka mafy io matoanteny grika io. Mamaly soa an’ireo mazoto manompo azy amin’ny fo manontolo àry i Jehovah.—Matio 22:37.

Ahoana moa no hampifalintsika an’i Jehovah, raha tsy matoky isika hoe mahavita na maniry hamaly soa antsika izy?

Inona no valisoa omen’i Jehovah ny mpanompony? Mampanantena hoavy sambatra izy, izany hoe fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Hita avy amin’izany fa tena malala-tanana sy be fitiavana izy. (Apokalypsy 21:3, 4) Efa mahazo fitahiana be ireo mitady mafy azy, dieny izao. Manana fomba fiaina mahafa-po izy ireo, noho ny fanampian’ny fanahy masina sy ny Baiboly.—Salamo 144:15; Matio 5:3.

Andriamanitra mahay mankasitraka tokoa i Jehovah, ka sarobidy aminy ny fanompoana ataon’ny mpanompony. Lasa te hifandray aminy ve ianao rehefa mahalala an’izany? Raha izany, nahoana raha fantarinao bebe kokoa izay tokony hataonao mba hananana an’ilay finoana ahazoana valisoa avy amin’i Jehovah?

Famakiana Baiboly Amin’ny Novambra

Titosy 1-3; Filemona 1-25; Hebreo 1-13Jakoba 1-5