Fantatrao Ve?
Nahoana no notapahina ny ranjon’ny mpanao heloka bevava voaheloka ho faty?
Nomelohina teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy sy ny jiolahy roa. Hoy ny Jaona 19:31 momba azy ireo: “Nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hasaina hotapahina ny ranjon’ireo natao teo amin’ny hazo fijaliana ka hesorina ny faty.”
Milaza ny lalàna jiosy fa ‘tsy tokony hajanona mandritra ny alina’ eo amin’ny tsato-kazo ny fatin’ny mpanao heloka bevava voaheloka ho faty. (Deoteronomia 21:22, 23) Toa nampiharin’ny Jiosy tamin’ireo olona nomelohin’ny Romanina teo amin’ny tsato-kazo koa io lalàna io. Ho faty haingana mantsy ilay olona raha notapahina ny ranjony ka azo nalevina talohan’ny Sabata, izay nanomboka rehefa nilentika ny masoandro.
Ahoana no natao tamin’ireo nomelohina ho faty teo amin’ny tsato-kazo? Nofantsihana tamin’ny fantsika be ny tanany sy ny tongony. Rehefa natsangana ilay hazo, dia nanaintaina be ilay olona satria ireo fantsika ireo no nihazona ny vatany iray manontolo. Tsy afaka nifoka rivotra izy raha tsy namikitra mafy ny tongony, mba hampisondrotra ny vatany. Raha tapahina anefa ny ranjony dia tsy ho afaka hanao an’izany izy. Tsy maintsy ho faty izy amin’izay satria very ra be, na satria tsy afaka niaina.
Ahoana no nampiasana ny pilotra fahiny?
Pilotra no nampiasain’i Davida tamin’izy namono an’i Goliata, ilay lehilahy goavam-be. Tany am-piandrasan’ondry, tamin’izy mbola kely, angamba no nianarany nampiasa azy io.—1 Samoela 17:40-50.
Hita amin’ny asa tanana tany Ejipta sy Asyria fahiny ny sarina pilotra. Misy tady roa amin’ilay izy, ary afatotra amin’ny lamba na hoditra kely ny tendron’ireo tady ireo. Eo amin’iny hoditra na lamba kely iny no asiana vato kilonjy na vato boribory. Mitovitovy amin’ny haben’ny voasary ny haben’ilay vato, ary mety ho fahefa-kilao ny lanjany. Ahodinkodina ilay pilotra rehefa mampiasa azy ary avotsotra ny iray amin’ilay tady avy eo, ka lasa lavitra be ilay vato sady tsy mivilivily mihitsy.
Nahita pilotra be dia be tany Israely sy ny manodidina ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Nampiasaina tamin’ny ady fahiny izy ireny. Mety ho 160 ka hatramin’ny 240 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ny vato nalefan’ny mpiady mahay tamin’ny pilotra. Tsy mifanara-kevitra ny manam-pahaizana raha tonga lavitra hoatran’ny tsipìka ny pilotra. Miaiky anefa izy ireo fa mahafaty toy ny tsipìka ihany ny pilotra.—Mpitsara 20:16.