Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA I JESOSY NO NAMONJY ANTSIKA?

Rahoviana no Hotsarovana ny Nahafatesan’i Jesosy ary Aiza?

Rahoviana no Hotsarovana ny Nahafatesan’i Jesosy ary Aiza?

Nandidy ny mpianany i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany, mba hahatsiaro ny sorona hataony. Hoy izy: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.”—Lioka 22:19.

Mitsingerina amin’ny zoma 3 Aprily 2015, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny nahafatesan’i Jesosy, amin’ity taona ity. Manasa anao sy ny fianakavianao ny Vavolombelon’i Jehovah amin’io andro io, mba hihaino lahateny manazava hoe nahoana no tena zava-dehibe ny nahafatesan’i Jesosy ary inona no soa horaisinao avy amin’izany.