Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | EFA AKAIKY VE NY FARA ANDRO?

Inona Marina ny “Fara Andro”?

Inona Marina ny “Fara Andro”?

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe “farany” na “fara andro”? Tanàna potipotika sy ravarava ve? Sa faty miampatrampatra etsy sy eroa? Matahotra ny olona sasany rehefa mieritreritra an’ireo. Ny hafa indray tsy mino mihitsy hoe izany ve dia hitranga! Misy aza mandray an’ilay izy ho vazivazy.

Hoy anefa ny Baiboly: “Ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Antsoina hoe ‘andro lehiben’Andriamanitra’ izy io, na “Hara-magedona.” (Apokalypsy 16:14, 16) Marina fa misafotofoto be ny zavatra ampianarin’ny fivavahana momba ny fara andro. Hafahafa sady mampahatahotra koa ny resaky ny olona mahakasika azy io. Mazava anefa izay lazain’ny Baiboly momba ny farany, sady ampiany isika hahafantatra raha efa tena akaiky izy io. Ampianariny antsika mihitsy aza izay tokony hatao raha te ho voavonjy isika. Andeha aloha hojerentsika ao amin’ny Baiboly hoe nahoana no diso ny hevitra sasany ananan’ny olona. Aorian’izay, dia hofantarintsika hoe inona marina ny “fara andro.”

DISO NY HOE...

  1. HO LEVON’NY AFO NY TANY KA HO POTIKA TANTERAKA.

    Hoy ny Baiboly: “[Naorin’Andriamanitra] ny tany, ary nataony mafy orina ny fototra iorenany, ka tsy ho voahozongozona mandrakizay doria.” (Salamo 104:5) Asehon’io andinin-teny io sy ny andininy hafa fa tsy hopotehin’Andriamanitra mihitsy ny tany, ary tsy hisy avelany hanao an’izany na rahoviana na rahoviana.—Mpitoriteny 1:4; Isaia 45:18.

  2. KISENDRASENDRA FOTSINY NY HAHATONGAVAN’NY FARANY.

    Milaza ny Baiboly fa efa misy fotoana napetrak’Andriamanitra mba hahatongavan’ny farany. Hoy ny Marka 13:32, 33: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro na ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany. Koa mitandrema hatrany sy miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro.” Mazava àry fa efa manana “fotoana voatondro” ho an’ny farany “ny Ray”, izany hoe Andriamanitra.

  3. NY OLONA NA NY VAINGAN-JAVATRA AVY ENY AMIN’NY LANITRA NO HAHATONGA NY FARA ANDRO.

    Inona no hitarika ho amin’ny farany? Hoy ny Apokalypsy 19:11: “Ary nahita ny lanitra nisokatra aho, ary iny nisy soavaly fotsy. Antsoina hoe Mendri-pitokisana sy Marina ilay nitaingina azy.” Hoy ny andininy faha-19: “Ary hitako fa nivondrona ilay bibidia sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny mba hiady tamin’ilay nitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny.” (Apokalypsy 19:11-21) Na dia an’ohatra aza ireo voalaza ireo, dia azontsika ihany ny heviny. Handefa tafik’anjely Andriamanitra mba handringanana ny fahavalony.

Tsara ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny farany fa tsy ratsy

IZAO KOSA NY MARINA:

  1. HIFARANA NY FITONDRAN’OLOMBELONA.

    Hoy ny Baiboly: “Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Daniela 2:44) Efa hitantsika teo amin’ny teboka faha-3 koa fa hofoanana “ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny” izay ‘nivondrona mba hiady tamin’ilay nitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny.’—Apokalypsy 19:19.

  2. HIFARANA NY ADY SY NY HERISETRA ARY NY TSY RARINY.

    “Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany [Andriamanitra].” (Salamo 46:9) “Fa ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.” (Ohabolana 2:21, 22) “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.”—Apokalypsy 21:4, 5.

  3. TSY HISY INTSONY NY FIVAVAHANA MANDISO FANANTENANA AN’ANDRIAMANITRA SY NY OLONA.

    “Maminany lainga ny mpaminany, ary manampatra ny fahefany ny mpisorona. ... Koa hanao ahoana re ianareo rehefa hifarana izany rehetra izany e?” (Jeremia 5:31) “Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?’ Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.”—Matio 7:21-23.

  4. TSY HISY INTSONY NY OLONA MANOHANA AN’ITY TONTOLO RATSY ITY.

    Hoy i Jesosy Kristy: “Izao no fototry ny fanamelohana: Tonga teo amin’izao tontolo izao ny mazava, saingy naleon’ny olona ny haizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny ataony.” (Jaona 3:19) Efa nisy fandringanana tamin’ny andron’i Noa, ary tantarain’ny Baiboly hoe noravana “ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano. Tehirizina ho amin’ny afo amin’ny alalan’izany teny izany koa anefa ny lanitra sy ny tany ankehitriny, ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.”—2 Petera 3:5-7.

Mariho fa nampitovina tamin’ny nandravana an’ilay “tontolo” tamin’ny andron’i Noa ilay “andro fitsarana sy fandringanana” mbola ho avy. Inona ilay tontolo noravana tamin’izay? Tsy ny tany akory izy io, fa ny olona “tsy matahotra an’Andriamanitra”, izany hoe ny fahavalony. Horinganina koa izay mifidy ny ho fahavalon’Andriamanitra, amin’ilay “andro fitsarana” ho avy, fa ho voavonjy toa an-dry Noa mianakavy kosa ny naman’Andriamanitra.—Matio 24:37-42.

Hahafinaritra ny hiaina eto an-tany rehefa tsy hisy intsony ny mpanao ratsy satria naringan’Andriamanitra. Tsara àry ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny farany fa tsy ratsy. Mety mbola hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Lazain’ny Baiboly ve hoe rahoviana no ho tonga ny farany? Efa akaiky ve izy io? Ahoana no hataoko raha te ho voavonjy aho?’