HIRA 47
Mivavaha Isan’andro
-
1. Tsy andrin’i Jehovah ny hihaino anao,
Ka ny ao am-ponao, resaho, tantarao!
Izy anie ka Namana azo itokiana,
Tsy manary anao ’lay Ray be fiahiana.
Mivavaha àry isan’andro!
-
2. Mivavaha raha mbola eo ny maraina,
Dia misaora an’ilay Mpanome aina.
Fantany ianao hoe mba vovoka ihany,
Ka iangavio foana ny famelany.
Mivavaha àry isan’andro!
-
3. Dia raha toa vesaran’ny fanahiana,
Satriny anie hanome fanampiana.
Mba antsoy Jehovah raha sendra kivy,
F’izy no Raintsika mandrakariva.
Mivavaha àry isan’andro!
(Jereo koa ny Sal. 65:5; Mat. 6:9-13; 26:41; Lioka 18:1.)